Isaia 31 - Malagasy Bible Revision Version

Tsy Andriamanitra ny Ejiptiana fa olona

1Lozan’izay midina any Ejipta hitady famonjena,

sy izay miantehitra amin’ny soavaly

ary matoky ny kalesy fitondra miady satria maro ireny,

sy ny mpitaingin-tsoavaly satria mahery dia mahery ireny,

fa tsy mibanjina ny Iray Masin’ny Israely,

na mitady NY TOMPO!

2Izy anefa dia hendry

ka mahatonga loza;

tsy mba tsoahiny ny teniny;

fa mitsangana Izy hamely ny mpianakavin’ny mpanao ratsy

sy izay manampy ny mpanao heloka.

3Olona ihany ny Ejiptiana fa tsy Andriamanitra;

nofo ihany ny soavaliny fa tsy fanahy.

Koa rehefa atsotran’NY TOMPO ny tanany

dia ho tafintohina izay manampy

ary ho potraka izay ampiana,

koa samy ho levona avokoa izy rehetra.

Hiaro an’i Jerosalema NY TOMPO

4Fa izao no nolazain’NY TOMPO tamiko:

Tahaka ny fieron’ny liona sy ny liona tanora eo amin’ny rembiny,

koa na dia betsaka aza ny mpiandry ondry voaantso hamely azy

dia tsy matahotra ny feon’ireo izy,

na mivarahontsana noho ny fihorakorahany,

tahaka izany no hidinan’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao,

hiady ao amin’ny tendrombohitra Ziona* sy ny havoanany.

5Tahaka ny fandrakofan’ny vorona amin’ny elany

no hiarovan’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, an’i Jerosalema;

sady hiaro Izy no hamonjy;

eny, sady hiantra no hanafaka.

6Koa miverena ho amin’Izay efa nikomianareo fatratra ry Zanak’Israely ô!

7Fa amin’izany andro izany dia harian’ny olona rehetra ny andriamanitra volafotsiny sy ny andriamanitra volamenany, izay fahotana nataon’ny tananareo.

8Ho lavo ny Asiriana,

ho lavon’ny sabatra izay tsy mba an’olona;

eny, sabatra izay tsy mba an’olombelona no handringanana azy;

handositra ny sabatra izy

ary hampanaovina fanompoana ny zatovony.

9Handositra noho ny tahotra ny mpanjakany

ary hivadi-po eo anoloan’ny faneva ny mpanapaka eo aminy,

hoy NY TOMPO, izay manana afo ao Ziona*

sy fatana fandoroana ao Jerosalema.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help