1Izao no lazain’NY TOMPO: Andeha mividy tavoara tanimanga, ary makà zokiolona amin’ny vahoaka sy zokiolona amin’ny mpisorona,
2dia mankanesa any amin’ny Lohasahan’ny taranak’i Hinoma, izay eo anoloan’ny vavahady Harsota, ary torio eo ny teny izay holazaiko aminao
3ka lazao hoe: Mihainoa ny tenin’NY TOMPO, ry mpanjakan’ny Joda sy ry mponina ato Jerosalema! Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Indro, hahatonga loza amin’ity tanàna ity Aho ka izay mandre izany dia hangintsina ny sofiny,
4satria efa nahafoy Ahy izy ka nahatonga ity tanàna ity ho hafahafa, fa nandoro ditin-kazo manitra tato ho an’ny andriamanitra hafa izay tsy fantany akory, ary tsy fantatry ny razany, na ny mpanjakan’ny Joda izy. Efa nameno ity tanàna ity tamin’ny ran’ny tsy manan-tsiny izy
5ary nanorina toerana fanaovana sorona ho an’ny Baala* mba handoroany ny zanany ho fanatitra dorana manontolo ho an’i Baala, izay tsy nandidiako, na nolazaiko, na tao an-tsaiko akory aza.
6Koa indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay tsy hanaovana ity toerana ity intsony hoe Tofeta, na Lohasahan’ny taranak’i Hinoma, fa Lohasaha Famonoana kosa.
7Ary hofoanako amin’ity tanàna ity ny fisainan’ny Joda sy Jerosalema ka hataoko lavon-tsabatra eo anoloan’ny fahavalony sy amin’ny tanan’izay mitady ny ainy izy; ary ny fatiny dia homeko ho fihinan’ny voromanidina sy ny bibidia.
8Ary ity tanàna ity dia hataoko ho figagana sy ho zavatra mampisitrisitra ka izay rehetra mandalo azy dia ho figagana sady hisitrisitra noho ny loza rehetra namelezana azy.
9Ary hampihinaniko ny nofon’ny zanany lahy sy ny nofon’ny zanany vavy izy, ary samy hihinana ny nofon’ny namany avy izy ao anatin’ny fahirano sy amin’ny fahaverezan-kevitra, izay haneren’ny fahavalony sy izay mitady ny ainy azy.
10Dia torotoroy eo imason’ny olona izay miaraka aminao ilay tavoara
11ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao: Toy izao no hanorotoroako ity firenena sy ity tanàna ity, dia toy ny famakin’ny mpanefy tanimanga ny vilany tany ka tsy azo atambatra intsony. Ary any Tofeta aza no handevenana noho ny tsy fisian’ny toeran-kafa handevenana intsony.
12Dia toy izany no hataoko amin’ity tanàna ity sy amin’izay mponina ato; hatao tahaka an’i Tofeta ity tanàna ity, hoy NY TOMPO.
13Ary ny tranon’i Jerosalema sy ny tranon’ny mpanjakan’ny Joda dia ho tonga maloto tahaka an’i Tofeta, dia ny trano rehetra izay nandoroany ditin-kazo manitra teo an-tampony, ho an’izay rehetra eny amin’ny lanitra, sady nanidinany fanatitra aidina ho an’izay andriamanitra hafa.
14Ary i Jeremia dia tonga avy tany Tofeta, izay nanirahan’NY TOMPO azy haminany; nitsangana teo amin’ny kianjan’ny tranon’NY TOMPO izy ka niteny tamin’ny vahoaka rehetra hoe:
15Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Indro, hataoko mihatra amin’ity tanàna ity sy amin’ny vohitra miankina aminy rehetra ny loza rehetra izay nolazaiko hatao aminy noho ny nanamafisany ny hatony tsy nihainoany ny teniko.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.