1Dia nandray fitenenana i Zofara namatita hoe:
2Moa tsy hovaliana va ny teny be toy izany?
Ary moa raha maro vava dia ho marina va?
3Ny bedibedinao va no hampangina ny olona?
Dia haniratsira ianao ka tsy hisy handresy lahatra?
4Hoy ianao: Madio ny teny nalahatro
ary tsy nanan-tsiny teo imasonao aho.
5Enga anie ka hiteny Andriamanitra
ka hiloa-bava hamaly anao!
6Dia hasehony aminao ny fahendrena miafina
fa tsy hita lany izany,
koa ho fantatrao fa navelan’Andriamanitra ny helokao sasany.
7Takatry ny sainao va ny fomban’Andriamanitra?
Ary hitanao va hatrany amin’ny fahatanterahan’ny Tsitoha?
8Avo tahaka ny lanitra izany ka inona no hainao atao?
Lalina noho ny fitoeran’ny maty* izany ka inona no fantatrao?
9Mihoatra noho ny tany ny fivelarany
ary lehibe noho ny ranomasina.
10Raha mandroso Izy ka misambotra ary manao fitsarana
dia iza moa no mahasakana Azy?
11Fa Izy mahafantatra ny olon-dratsy
ary hitany ny heloka na dia tsy mandinika akory aza Izy.
12Fa ny fahendren’olombelona dia fahendrena poakaty
ary raha vao teraka izy dia toy ny zanaky ny borikidia.
13Fa raha ampanatrehinao Azy ny fonao
ary atantinao Aminy ny tananao
14ka misy heloka eo an-tananao dia ario lavitra izany
ary aza avela hisy ratsy hitoetra ao an-dainao;
15dia hahazo hanandratra ny tavanao tsy misy tsiny ianao,
koa hijoro tsara ary tsy hatahotra;
16fa ho hadinonao ny fahorianao:
toy ny rano efa nandalo no hahatsiarovanao azy.
17Ary hamirapiratra lavitra noho ny mitataovovonana ny andronao;
na dia sendra manjombona aza dia ho tonga tahaka ny maraina.
18Hatoky ianao satria misy ny fanantenana;
eny, hijery manodidina ianao ka handry tsy amin’ahiahy.
19Dia ho tafandry ianao fa tsy hisy hanaitaitra
ary maro no hila sitraka aminao.
20Fa ny mason’ny ratsy fanahy kosa dia ho pahina
ka ho levona avokoa ny toeram-pialofany
ary ny fialana aina ihany no hany sisa azony antenaina.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.