1Ny taranak’i Asafa sy i Hemana ary i Jedotona dia natokan’i Davida sy ireo lehiben’ny miaramila ho amin’ny fanompoana mba haminany amin’ny lokanga sy ny valiha ary ny kipantsona. Izao no isan’ny mpanao raharaha araka ny fanompoany avy:
2Tamin’ny zanakalahin’i Asafa dia i Zakora, i Josefa, i Netania ary i Asarela, zanak’i Asafa, notarihin’i Asafa, izay naminany araka izay nitarihan’ny mpanjaka azy.
3Tamin’i Jedotona, ny zanany dia i Gedalia, i Zery, i Jesaia, i Hasabia ary i Matitia; enin-dahy ireo ka notarihin’i Jedotona rainy, izay naminany tamin’ny lokanga hidera sy hisaotra NY TOMPO.
4Tamin’i Hemana, ny zanany dia i Bokia, i Matania, i Oziela, i Seboela, i Jerimota, i Hanania, i Hanany, i Eliata, i Gidalty, i Romamty-Ezera, i Josbekasa, i Maloty, i Hotira ary i Mahaziota.
5Ireo rehetra ireo no zanak’i Hemana, mpahitan’ny mpanjaka ny amin’ny tenin’Andriamanitra, natao hanandratra ny tandroka. Ary i Hemana dia efa nomen’Andriamanitra zazalahy efatra amby folo sy zazavavy telo.
6Ireo rehetra ireo no teo ambany fitarihan’ny rainy tamin’ny hira natao tao amin’ny tranon’NY TOMPO, tamin’ny kipantsona sy ny valiha ary ny lokanga hanaovana ny fanompoana ao amin’ny tranon’Andriamanitra.
I Asafa sy i Jedotona ary i Hemana dia teo ambany fitarihan’ny mpanjaka.
7Ny isan’izy ireo, miaraka amin’ny rahalahiny, izay efa nianatra ny hira ho an’NY TOMPO ka tonga lafatra ny fahaizany azy, dia valo amby valopolo sy roanjato.
8Nanao antsapaka ny amin’ny anjara raharahany avy izy, na ny kely na ny lehibe, na ny mpampianatra na ny mpianatra.
9Ny antsapaka voalohany dia azon’i Josefa avy amin’ny taranak’i Asafa;
ny faharoa dia an’i Gedalia, izy mbamin’ny rahalahiny sy ny zanany: Roa amby folo;
10ny fahatelo dia an’i Zakora, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny: Roa amby folo;
11ny fahefatra dia an’i Jizry, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny: Roa amby folo;
12ny fahadimy dia an’i Netania, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny: Roa amby folo;
13ny fahenina dia an’i Bokia, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny: Roa amby folo;
14ny fahafito dia an’i Jesarela, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny: Roa amby folo;
15ny fahavalo dia an’i Jesaia, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny: Roa amby folo;
16ny fahasivy dia an’i Matania, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny: Roa amby folo;
17ny fahafolo dia an’i Simey, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny: Roa amby folo;
18ny fahiraika amby folo dia an’i Azarela, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny: Roa amby folo;
19ny faharoa amby folo dia an’i Hasabia, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny: Roa amby folo;
20ny fahatelo amby folo dia an’i Sobaela, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny: Roa amby folo;
21ny fahefatra amby folo dia an’i Matitia, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny: Roa amby folo;
22ny fahadimy amby folo dia an’i Jeremota, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny: Roa amby folo;
23ny fahenina amby folo dia an’i Hanania, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny: Roa amby folo;
24ny fahafito amby folo dia an’i Josbekasa, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny: Roa amby folo;
25ny fahavalo amby folo dia an’i Hanany, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny: Roa amby folo;
26ny fahasivy amby folo dia an’i Maloty, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny: Roa amby folo;
27ny faharoapolo dia an’i Eliata, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny: Roa amby folo;
28ny fahiraika amby roapolo dia an’i Hotira, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny: Roa amby folo;
29ny faharoa amby roapolo dia an’i Gidalty, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny: Roa amby folo;
30ny fahatelo amby roapolo dia an’i Mahaziota, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny: Roa amby folo;
31ny fahefatra amby roapolo dia an’i Romamty-Ezera, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny: Roa amby folo.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.