1Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:
2Omeo baiko ny Zanak’Israely mba hitondra diloilon’oliva voatoto tsy miharo ho eo aminao, hatao fanazavana mba hampirehetana tsy an-kiato ny jiro.
3Eo ivelan’ny efitra lamba izay manakona ny Vavolombelona ao amin’ny tranolay fihaonana* no hametrahan’i Arona azy mba hirehitra mandrakariva, ny hariva ka hatramin’ny maraina, eo anatrehan’NY TOMPO; ho lalàna maharitra hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby izany.
4Eo amin’ny fitoeran-jiro volamena tsy miharo no hametrahany ny jiro mba hirehitra mandrakariva eo anatrehan’NY TOMPO.
Ireo mofo atolotra an’Andriamanitra5Makà koba tsara toto ka endaso ho mofo roa amby folo; roa ampahafolon’ny efaha* no hatao mofo iray.
6Apetraho eo ambonin’ny latabatra madio eo anatrehan’NY TOMPO ireo ka ataovy laharana roa, enina avy isan-daharana.
7Asio ditin-kazo manitra madio ny toerana tsirairay, koa aoka ho eo amin’ny mofo izany mba ho fanati-pahatsiarovana, dia fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO.
8Isaky ny Sabata* no handaharany ireo mandrakariva eo anatrehan’NY TOMPO; avy amin’ny Zanak’Israely izany, dia fanekena maharitra.
9Ho an’i Arona sy ireo zanany ireo mofo ireo ka hohaniny eo amin’izay fitoerana masina; zavatra tena masina ho an’ny mpisorona ireo, avy amin’ny fanatitra levonina amin’ny afo; lalàna maharitra izany.
Ny famaizana ireo izay miteny ratsy ny anaran’Andriamanitra10Nisy lehilahy iray nankeo amin’ny Zanak’Israely, Israelita ny reniny ary Ejiptiana ny rainy; niady tamin’ny lehilahy israelita iray teo an-toby io zanaky ny vehivavy israelita io.
11Niteny ratsy ny anaran’Andriamanitra ilay zanaky ny vehivavy israelita ka nanozona; dia noentina tany amin’i Mosesy izy; Selomita no anaran’ny reniny, zanakavavin’i Dibry avy tamin’ny fokon’i Dana izy;
12dia nambenana izy, mandra-pahafantatra izay ho didin’NY TOMPO.
13Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:
14Avoahy ho eny ivelan’ny toby ilay nanozona ary aoka izay rehetra nandre azy hametraka ny tanany amin’ny lohany ary aoka hitora-bato azy ny fiangonana rehetra.
15Ary mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Na iza na iza no mamingavinga an’Andriamaniny dia ho meloka.
16Izay miteny ratsy ny anaran’NY TOMPO dia hovonoina ho faty; hitora-bato azy tokoa ny fiangonana manontolo; na vahiny na tompon-tany, izay miteny ratsy ny anarana, dia hovonoina.
17Izay mahafaty olona dia hovonoina ho faty.
18Fa izay mahafaty biby fiompy kosa dia hanonitra azy: Biby solon’ny biby.
19Raha misy olona mampanan-kilema ny namany dia toy izay nataony no hatao aminy koa:
20Tapaka solon’ny tapaka, maso solon’ny maso, nify solon’ny nify; tahaka ny kilema nataony tamin’ny olona no hatao aminy koa.
21Izay mahafaty biby fiompy dia hanonitra azy; fa izay mahafaty olona kosa dia hovonoina ho faty.
22Fitsipika iray no hitondrana anareo, na vahiny na tompon-tany; Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.
23Ary niteny tamin’ny Zanak’Israely i Mosesy dia navoakany teny ivelan’ny toby ilay niteny ratsy ka notoraham-bato. Dia nanatanteraka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy ny Zanak’Israely.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.