Ohabolana 30 - Malagasy Bible Revision Version

Tenim-pahendren’i Agora

1Ny teny mavesa-danja nataon’i Agora, zanak’i Jake,

dia ny teny nataon-dRalehilahy tamin’Itiela, eny, tamin’Itiela sy Okala.

2Izaho dia biby fa tsy olona

ary tsy manan-tsain’olombelona.

3Tsy nianatra fahendrena aho,

na nahazo ny fahalalan’ny Iray Masina.

4Iza no efa niakatra tany an-danitra sady nidina indray?

Iza no nahangona ny rivotra tao an-tanany?

Iza no nahafono ny rano tamin’ny lambany?

Iza no nametraka ireo faran’ny tany rehetra?

Iza no anarany, ary iza no anaran’ny zanany?

Fa toa fantatrao!

5Ny tenin’Andriamanitra dia voazaha toetra avokoa.

Ampinga ho an’izay mialoka aminy Izy.

6Aza manampy ny teniny fandrao hanariny ianao

ka ho hita fa mpandainga.

7Zavatra roa loha no angatahiko aminao

ka aza lavinao, dieny tsy mbola maty aho:

8Ampanalaviro ahy ny zava-poana sy ny lainga;

aza manome ahy fahantrana na harena;

fahano aho amin’izay anjara hanina sahaza ho ahy,

9fandrao raha voky aho dia handa

ka hiteny hoe: Iza moa NY TOMPO?

Ary andrao raha tonga mahantra aho dia hangalatra

ka hanamavo ny anaran’Andriamanitro.

10Aza manendrikendrika ny mpanompo amin’ny tompony

fandrao hozoniny ianao ka hahazo heloka.

11Misy taranaka izay manozona ny rainy

sady tsy misaotra ny reniny.

12Misy taranaka milaza ny tenany ho madio,

kanjo tsy voasasa ho afaka amin’ny fahalotoany akory.

13Misy taranaka izay mampianjonanjona ny fijeriny

ary fatra-pampiridiridy ny hodimasony!

14Misy taranaka izay toy ny sabatra ny nifiny

ary toy ny antsy ny vazany,

hamongorany ny ory tsy ho amin’ny tany

sy mba hanafoanany ny mahantra tsy ho amin’ny olona.

Ohabolana manaraka isa

15Ny dinta manan-janakavavy roa, dia ny hoe: Omeo! Omeo!

Misy zavatra telo tsy mety voky,

eny, efatra aza no tsy milaza hoe: Aoka izay!

16Ny fitoeran’ny maty* sy ny kibo momba,

ny tany izay tsy vonton-drano,

ary ny afo koa no tsy mba milaza hoe: Aoka izay!

17Ny mianjonanjona amin-dray

sady manazimba tsy mankatò reny

dia hotsaingotsaingohin’ny goaika eny an-dohasahan-driaka

ary hohanin’ny zana-boromahery.

18Misy zavatra telo mahagaga ka tsy takatro,

eny, efatra aza no tsy fantatro:

19Ny lalan’ny voromahery eny amin’ny habakabaka,

ny dian’ny bibilava eny amin’ny vatolampy,

ny dian’ny sambo eny amin’ny ranomasina,

ary ny dian’ny lehilahy mankany amin’ny tovovavy.

20Tahaka izany koa ny fanaon’ny vehivavy mpijangajanga:

Homana izy dia mamafa ny vavany

ka miteny hoe: Tsy nanao izay ratsy aho!

21Izao fitondrana telo izao no tsy mampandry ny tany,

eny, zavatra efatra aza no tsy zakany:

22Raha ny andevo no tonga mpanjaka,

raha ny adala no voky hanina,

23raha ny vehivavy tsy tiana no ampakarina,

ary raha ny mpanompovavy no mandova ny tompovaviny.

24Izao zavatra efatra izao dia kely amin’ny etỳ ambonin’ny tany,

nefa hendry sady mahay:

25Ny vitsika izay firenena tsy matanjaka,

nefa manangona ny haniny amin’ny fahavaratra;

26ny hiràka izay firenena tsy manan-kery,

nefa manao ny tranony eny amin’ny harambato;

27ny valala izay tsy manana mpanjaka,

nefa izy rehetra miainga manao antokony tsara;

28ny antsiantsy izay azonao samborina amin’ny tanana,

nefa tonga ao an-dapan’ny mpanjaka.

29Misy zavatra telo izay tsara famindra,

eny, efatra aza no tsara fandeha:

30Ny liona, izay mahery indrindra amin’ny biby

ka tsy mihemotra na amin’inona na amin’inona;

31ny soavaly voaomana hiady sy ny osilahy

ary ny mpanjaka miaraka amin’ny miaramilany.

32Raha adala ianao ka nanandra-tena,

nefa mba nieritreritra,

dia tampeno amin’ny tananao ny vavanao.

33Ny fanotsankotsanana ny ronono no miteraka rononomandry;

ny fanolanana ny orona no miteraka ra

ary ny fanetsiketsehana ny fahatezerana no miteraka ady.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help