Isaia 24 - Malagasy Bible Revision Version

Fikorontanana sy fisaonana etỳ ambonin’ny tany

1Indro NY TOMPO manafoana ny tany ka mahalao azy,

mampihohoka azy Izy ka mampiely ny mponina ao aminy.

2Ho sahala ihany ny hanjo ny mpisorona sy ny vahoaka,

ny tompolahy sy ny mpanompolahiny,

ny tompovavy sy ny mpanompovaviny,

ny mpivarotra sy ny mpividy,

ny mpampisambotra sy ny mpisambotra,

ny mpampitrosa sy ny mpitrosa.

3Ho foana tanteraka ny tany,

tena horobaina manontolo izy,

fa NY TOMPO no efa miteny izany.

4Misaona sy malazo ny tany,

milofika sy malazo izao tontolo izao,

milofika ny olona ambony amin’ny tany.

5Novetavetain’ny mponina ao aminy ny tany

satria nandika ny lalàna izy

sady nanodinkodina ny didy

ary nivadika tamin’ny Fanekena mandrakizay.

6Ary noho izany dia ozona no mandevona ny tany

ary hilanja ny valin-kelony ny mponina ao aminy;

voadoro ny mponina amin’ny tany

ka olona vitsy foana no sisa ao.

7Misaona ny ranom-boaloboka,

milofika ny foto-boaloboka;

misento avokoa ireo izay nifaly am-po;

8Mitsahatra ny firavoravoana amin’ny ampongatapaka,

tapitra ny fitabataban’ireo niravoravo;

mitsahatra ny fifaliana amin-dokanga;

9Tsy misy mihira eo am-pisotroan-divay intsony,

mangidy amin’izay misotro azy ny toaka.

10Rava ilay tanàna be fikorontanana.

Mirindrina ny trano rehetra

ka tsy azon’olona idirana;

11Misy fitarainana eny an-tsaha

satria tsy misy ny divay,

nihamaizina ny fifaliana rehetra,

voaroaka ny firavoravoan’ny tany.

12Fahafoanana no hany sisa ao an-tanàna

ary rava sady montsamontsana ny vavahady.

13Fa ao anivon’ny tany, ao amin’ny olona,

dia hisy toy ny amin’ny fikapohana hazo oliva

sy fitsimpontsimponam-boaloboka rehefa tapitra ny andro fiotazana azy.

Fifaliana lasa aloha loatra

14Ireo dia hanandratra ny feony

ka hihoby;

noho ny fahalehibiazan’NY TOMPO

dia hiantso mafy eny amin’ny ranomasina izy ireo!

15Mankalaza NY TOMPO

any amin’ny fiposahan’ny mazava izy,

dia ny anaran’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely,

any amin’ny nosy any an-dranomasina!

16Hatrany am-paran’ny tany

no nandrenesanay hira hoe:

Voninahitra ho an’ny marina!

Fa hoy kosa aho: Levona aho!

Levona aho! Lozako!

Ny mpamitaka dia mamitaka;

Eny, ny mpamitaka dia mamitaka tokoa!

17Tahotra sy lavaka ary fandrika

no mahazo anao, ry mponina amin’ny tany!

18Izay mandositra noho ny fandrenesana ny tahotra

dia ho latsaka any an-davaka;

izay miakatra avy ao anatin’ny lavaka

dia ho voarain’ny fandrika;

fa misy varavarana mivoha any amin’ny avo,

ary mihovotrovotra ny fanorenan’ny tany.

19Mivava ny tany,

mitresaka ny tany,

mihovotrovotra aoka izany ny tany,

20mivembena dia mivembena tahaka ny olona mamo ny tany,

mihevaheva toy ny trano fialofana mihantona,

mitambesatra aminy ny fahadisoany

ka potraka izy ary tsy ho tafarina intsony.

Fifaranan’ny fanjakan’olombelona sy fiandohan’ny fanjakan’Andriamanitra

21Amin’izany andro izany dia any ambony

no hamalian’NY TOMPO ny tafiky ny lanitra,

ary etỳ an-tany kosa ny mpanjakan’ny tany.

22Dia hangonina

tahaka ny mpifatotra ao an-davaka izy ireo

ka hohidina any an-tranomaizina.

Ary rehefa afaka andro maro

dia hampamoahina izy.

23Dia hivoaramena ny volana

ary hivaloarika ny masoandro,

satria Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no Mpanjaka

ao an-tendrombohitra Ziona*, any Jerosalema,

ary misy voninahitra eo anatrehan’ny loholony.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help