Hebreo 1 - Malagasy Bible Revision Version

Sasin-teny

1Rehefa nampitenenin’Andriamanitra tamin’ny razana fahiny ny mpaminany tamin’ny andro samihafa sy ny fanao samihafa

2dia amin’izao andro farany izao kosa no nampitenenany tamintsika ny Zanany izay voatendriny ho mpandova ny zavatra rehetra; Izy no nahariany izao tontolo izao,

3Izy koa no famirapiratan’ny voninahiny sy endriky ny tenany indrindra

ary mihazona ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny teniny;

rehefa nanao fanadiovana hahafaka ny fahotana Izy

dia nipetraka eo ankavanan’ny Lehibe any amin’ny avo

4ka natao tsara noho ny anjely,

araka ny nandovany anarana tsara noho ireny.

Lehibe noho ireo anjely ny Zanaka

5Fa anjely iza no mba nilazany hoe:

«Zanako Ianao,

Izaho no niteraka Anao androany» (Sal 2.7)?

Ary koa:

«Izaho ho Rainy

ary Izy ho Zanako» (2Sam 7.14)?

6Ary raha mitondra ny Lahimatoa ho amin’izao fiainana izao Izy dia niteny hoe:

«Ary aoka ny anjelin’Andriamanitra rehetra hiankohoka eo anoloany» (Sal 97.7).

7Ary ny anjely dia ilazany hoe:

«Manao ny anjeliny ho rivotra Izy

ary ny mpanompony ho lelafo» (Sal 104.4).

8Fa ny Zanaka kosa dia nilazany hoe:

«Ny sezafiandriananao, Andriamanitra ô, dia mandrakizay doria;

ary ny tehin’ny fahitsiana no tehim-panjakanao.

9Tianao ny fahamarinana fa halanao ny heloka;

koa Andriamanitra, dia Andriamanitrao,

efa nanosotra diloilom-pifaliana Anao mihoatra noho ny namanao» (Sal 45.6-7).

10Ary izao koa:

«Ianao, TOMPO ô, tany aloha no nanorenanao ny tany,

ary asan’ny tananao ny lanitra;

11ireo dia ho levona, fa Ianao no maharitra;

ho rovitra toy ny fitafiana izy rehetra,

12ary toy ny lamba no hamalonanao azy,

dia toy ny fitafiana izay hovana;

fa Ianao no tsy miova, ary ny taonanao no tsy ho tapitra» (Sal 102.25-27).

13Fa anjely iza no mba nilazany hoe:

«Mipetraha eo ankavanako,

ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao»? (Sal 110.1)

14Tsy fanahy manompo va izy rehetra, irahina hanao fanompoana ho an’izay handova famonjena?

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help