Levitikosy 2 - Malagasy Bible Revision Version

Ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry

1Raha misy manolotra fanatitra avy amin’ny zavamaniry ho an’NY TOMPO dia koba tsara toto no hataony fanatitra ary handraraka diloilo sy hanisy ditin-kazo manitra eo amboniny izy.

2Hitondra izany ho any amin’ireo mpisorona zanak’i Arona izy, dia handraofan’izy ireo eran’ny tanana ila ny koba sy ny diloilon’ny fanatitra mbamin’ny ditin-kazo manitra rehetra. Hodoran’ny mpisorona ho fofona eo ambonin’ny alitara izany fanati-pahatsiarovana avy aminy izany. Fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO izany.

3Ny sisa amin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry dia ho an’i Arona sy ireo zanany; anjara tena masina avy amin’ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO izany.

4Raha manolotra fanatitra avy amin’ny zavamaniry voaendy tamin’ny fanendasa-mofo ianao dia aoka ho mofo tsy misy masirasira vita amin’ny koba tsara toto sady voaharo diloilo, miampy mofo manify tsy misy masirasira sady voahosotra diloilo.

5Raha fanatitra avy amin’ny zavamaniry voaendy tamin’ny lapoaly no fanatitrao dia aoka ho koba tsara toto voaharo diloilo sady tsy misy masirasira.

6Hovakivakinao sy horarahanao diloilo ilay izy; fanatitra avy amin’ny zavamaniry izany.

7Raha fanatitra avy amin’ny zavamaniry nahandroina tamin’ny vilany no atolotrao dia koba tsara toto asiana diloilo no atao.

8Hoentinao ho an’NY TOMPO ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry izay vita amin’ireo zavatra ireo; rehefa voaatitra eo amin’ny mpisorona ireo dia hoentiny eo amin’ny alitara.

9Ary haka ny fanati-pahatsiarovana avy amin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ny mpisorona ka handoro azy ho fofona eo ambonin’ny alitara. Fanatitra levonina amin’ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO, izany.

10Ny sisa amin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry dia ho an’i Arona sy ny zanany, ho anjara tena masina avy amin’ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO.

11Ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry rehetra izay atolotrareo ho an’NY TOMPO dia aza asiana masirasira; fa ny masirasira sy ny tantely dia samy tsy hakanareo hodorana ho fofona ho fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO.

12Ho fanatitra voaloham-bokatra ihany no hahazoanareo manolotra ireo ho an’NY TOMPO, kanefa tsy hakarina eo ambonin’ny alitara ho hanitra ankasitrahana izany.

13Samy asio sira avokoa ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry atolotrao rehetra; ny siran’ny faneken’Andriamanitrao dia aza atsahatra amin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry atolotrao; fa manolora sira miaraka amin’ny fanatitrao rehetra.

14Raha manolotra fanatitra avy amin’ny zavamaniry ho an’NY TOMPO avy amin’ny voaloham-bokatra ianao dia salohim-bary voaendy amin’ny afo, lango avy amin’ny salohy vao, no hatolotrao ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry avy amin’ny voaloham-bokatrao.

15Hasianao diloilo izany sady hasianao ditin-kazo manitra eo amboniny. Fanatitra avy amin’ny zavamaniry izany.

16Hodoran’ny mpisorona ho fofona ny fanati-pahatsiarovana avy amin’ny lango sy avy amin’ny diloilo ary ny ditin-kazo manitra rehetra. Fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO izany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help