Salamo 121 - Malagasy Bible Revision Version

Avy aiza ny famonjena ahy?Hira fanao amin’ny fiakarana

1Manopy ny masoko eny amin’ny tendrombohitra aho;

avy aiza ny famonjena ahy?

2Ny famonjena ahy dia avy amin’NY TOMPO,

Mpanao ny lanitra sy ny tany.

3Tsy mba havelany hangozohozo anie ny tongotrao;

tsy ho rendrehana anie ny Mpiaro anao.

4Indro, tsy matory na rendrehana

ny Mpiaro ny Israely.

5NY TOMPO no Mpiaro anao;

NY TOMPO no fialofanao eo ankavananao.

6Tsy mba hamely anao ny masoandro nony andro,

na ny volana nony alina.

7Hiaro anao amin’ny ratsy rehetra NY TOMPO;

eny, hiaro ny fanahinao Izy.

8Hiaro anao NY TOMPO, na mivoaka ny trano ianao na miditra,

hatramin’izao ka ho mandrakizay.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help