Tononkiran’i Solomona INDRAY MIJERY - Malagasy Bible Revision Version

INDRAY MIJERYNy anaran’ny Boky ao amin’ny Baiboly hebreo dia: Ny tononkira tsara indrindra, fa ny hoe Tononkiran’i Solomona dia avy amin’ny filazana ao amin’ny 1.1. Ankoatra an’io 1.1 io dia voatonona indimy ato amin’ny Boky ny anaran’i Solomona. Ireo andininy ireo anefa dia milaza momba an’i Solomona fa tsy fitantaran’i Solomona ny tenany akory.Tao amin’ny Fiangonana jiosy, ny Boky Tononkira dia isan’ireo Horonam-boky Dimy ary novakina tamin’ny Paska.Ny votoatin’ny BokyManaitra tokoa ny ahitana ity boky ity ato anatin’ny Baiboly satria raha vakina dia tena tononkira ataon’ny mpifankatia. Raha ny tantaran’ny Fiangonana no jerena dia be tokoa ny fisalasalana talohan’ny nanekena azy ho Soratra Masina, na tao amin’ny Fiangonana jiosy izany na tao amin’ny Fiangonana kristiana. Maro ihany ny fomba nanazavana ny maha Soratra Masina azy, fa ny tanan’ny ny maro dia izao: Noraisin’ny Fiangonana ho sarin’ny fitiavan’Andriamanitra ny Israely. Ary izany dia mifanandrify amin’ireo teny maro izay mampitaha ny fitiavan’Andriamanitra ny Israely amin’ny fanambadiana, ohatra ny Bokin’i Hosea, ny Isaia 62.4, na ny Efesiana 5.25-27.Koa ny Boky dia milaza lehilahy iray izay mpampakatra, ary vehivavy iray izay ampakarina. Heverin’ny mpandinika fa ny anaran’i Solomona dia noentina ilazan-dRavehivavy, na ny olona mpijery, an-dRalehilahy, ary Ravehivavy dia atao hoe mpanjakavavy, araka izay fanao amin’ireny fety fampakaram-bady ireny. Toy izany koa ny anaran-dRavehivavy, natao hoe Solemita, izay mitovitovy amin’ny hoe Sonemita, ilay vadin’i Solomona (1Mpa 1.3).Ny firafitry ny BokyTsy ahitana rafitra hentitra ny Boky fa hita ho fanangonana tononkalo samihafa izay tsy misy fizorana ara-potoana. Fa izay marihina dia ny fifandimbiasan’ny olona miteny: Ankoatra an’izy roa dia misy olon-kafa miteny koa.
Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help