Salamo 143 - Malagasy Bible Revision Version

Aza mifandahatra amiko eo am-pitsaranaSalamo nataon’i Davida.

1TOMPO ô, henoy ny vavaka ataoko

ary atongilano amin’ny fifonako ny sofinao;

valio araka ny teninao marina sy ny fahamarinanao aho.

2Aza dia mifandahatra amin’ny mpanomponao eo am-pitsarana

fa tsy misy olombelona ho marina eo anatrehanao.

3Fa nanenjika ny fanahiko ny fahavalo;

namely ny aiko ho lavo tamin’ny tany izy;

nampitoeriny tao amin’ny maizina aho,

toy izay efa maty ela.

4Dia reraka ny fanahiko ato anatiko;

fadiranovana ny foko ato anatiko.

5Mahatsiaro ny andro fahiny aho

ary misaina ny asanao rehetra;

ny asan’ny tananao no eritreretiko.

6Manandra-tanana Aminao aho;

ny fanahiko dia tahaka ny tany mangentana eo anatrehanao. Fiatoana.

7Faingàna hamaly ahy, TOMPO ô,

fa reraka ny fanahiko.

Aza manafina ny tavanao amiko,

fandrao ho tahaka izay midina any am-pasana aho.

8Ampandreneso ny famindramponao aho

nony maraina

fa Ianao no itokiako.

Ampahalalao ahy izay lalana tokony halehako

fa Aminao no anandratako ny fanahiko.

9TOMPO ô, afaho amin’ny fahavaloko aho;

ao Aminao no iereko.

10Ampianaro hanao ny sitraponao aho

fa Ianao no Andriamanitro;

aoka ny Fanahinao tsara no hitarihanao ahy amin’izay tany marina.

11Noho ny anaranao, TOMPO ô, dia velomy aho;

araka ny fahamarinanao dia avoahy ho afaka amin’ny fahoriana ny fanahiko.

12Ary araka ny famindramponao dia fongory ny fahavaloko

ka aringano izay rehetra mampahory ny fanahiko

fa mpanomponao aho.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help