Mpitoriteny 11 - Malagasy Bible Revision Version

Ny fahasahiana hanao zavatra

1Atsipazo eny ambonin’ny rano ny mofonao

fa ho hitanao ihany izy rehefa ela.

2Samy omeo anjara ny fito, eny, na ny valo aza,

fa tsy fantatrao izay fahoriana hanjo etỳ ambonin’ny tany.

3Rehefa feno ranonorana ny rahona

dia arotsany amin’ny tany izany;

ary na mianjera mianatsimo ny hazo na mianavaratra,

dia eo amin’izay ianjerany ihany no handriany.

4Izay fatra-pihevitra ny rivotra dia tsy mba hamafy

ary izay manahy ny rahona dia tsy mba hijinja.

5Toy ny tsy ahafantaranao ny lalana alehan’ny rivotra, na ny amin’ny fitombon’ny taolana ao an-kibon’izay manana anaka, dia toy izany no tsy ahafantaranao ny asan’Andriamanitra, Mpanao ny zavatra rehetra.

6Amin’ny maraina dia afafazo ny voanao

ary amin’ny hariva dia aza atsahatra ny tananao;

fa tsy fantatrao izay ho vanona, na itsỳ, na irỳ,

na angamba samy ho vanona avokoa izy roa tonta.

Mahaiza manararaotra ny fiainana amim-pahendrena

7Mamy tokoa ny mazava

ary mahafinaritra ny maso ny mijery ny masoandro;

8fa raha ela velona ny olona

dia aoka ho faly amin’ny androny rehetra

ary aoka izy hahatsiaro fa ho maro ny andro maizina.

Zava-poana avokoa izay rehetra ho avy.

9Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora ianao;

ary aoka ny fonao hampifalifaly anao amin’ny andron’ny fahatanoranao,

koa mandehana any amin’izay sitraky ny fonao sy izay jeren’ny masonao;

nefa aoka ho fantatrao fa hoentin’Andriamanitra hotsaraina ianao amin’izany rehetra izany.

10Koa esory ao am-ponao ny alahelo

ary avilio tsy hikasika ny nofonao ny ratsy;

fa ny fahatanorana sy ny fahatanjahana dia samy zava-poana.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help