Ohabolana 7 - Malagasy Bible Revision Version

Misy vehivavy ratsy, manodoka tanora lahy iray

1Anaka, tandremo ny teniko

ary raketo ao aminao ny didiko.

2Tandremo ny didiko dia ho velona ianao

ary tandremo toy ny anakandriamasonao ny lalànako.

3Afehezo eo amin’ny rantsantananao ireny

ary soraty ao am-ponao tahaka ny amin’ny vato fisaka ireny.

4Lazao amin’ny fahendrena hoe: Anabaviko ianao!

Ary ny fahaiza-misaina dia antsoy hoe: Havako akaiky ianao

5mba hiarovana anao amin’ny vehivavy jejo,

dia amin’ny vehivavy janga izay manao teny manodoka.

6Fa teo amin’ny varavarankelin’ny tranoko,

dia teo amin’ny makarakara, no nitsirihako

7ka nahita ny iray tamin’ireny kely saina ireny aho;

eny, nandinika ireo tanora aho ka nahita zazalahy iray tsy ampy saina

8izay nandeha tamin’ny lalana akaikin’ny zoron-tranon’ny vehivavy janga

sady nizotra moramora nankany an-tranony,

9tamin’ny takariva ilay somambisamby iny

ary tamin’ny alimbe.

10Dia indro, nisy vehivavy nitsena azy

sady manao fitafin’ny vehivavy janga ary feno fanangolena ao am-pony.

11Sady vavàna izy no maniratsira,

tsy mahajanona an-trano ny tongony;

12vetivety izy eny an-dalambe, vetivety eny an-tsena,

ary mamitsaka eny an-joron-dalana rehetra eny izy.

13Dia nisavika ilay tanora izy ka nanoroka azy

sady nisolantsolana taminy ary nilaza hoe:

14Nivoady hanatitra fanati-pihavanana aho

ary androany no nanefako ny voadiko.

15Koa nivoaka hitsena anao aho

mba hitady fatratra anao ka nahita anao tokoa.

16Ny fandrianako dia efa nasiako firakotra tsara,

lamba rongony misoratsoratra avy any Ejipta;

17efa norarahako zavamanitra ny fandrianako,

dia miora sy hazomanitra ary havozomanitra.

18Andeha, aoka isika hivoky fitia mandra-paharain’ny andro,

aoka hanaram-po amin’ny fitiavana isika.

19Tsy ato an-trano mantsy ny vadiko

fa lasa nivahiny any lavitra;

20ny kitapom-bola dia noentiny any an-tanany

ary tsy hody izy raha tsy feno ny volana.

21Tamin’ny teny maro no nandreseny lahatra azy;

tamin’ny fandokafan’ny molony no nitaomany azy.

22Dia nandeha nanaraka azy niaraka tamin’izay ilay zatovo,

tahaka ny omby entina hovonoina,

ary tahaka ny adala gadraina ho famaizana azy,

23ambara-piboroaky ny zana-tsipìka amin’ny atiny,

ary tahaka ny vorona mamantana amin’ny fandrika

ka tsy fantany fa hamono ny ainy izany.

24Koa mihainoa ahy ianareo, anaka,

ary tandremo ny teny ataoko!

25Aoka tsy hivily ho any amin’ny lalany ny fonareo

ary aza mania ho amin’ny alehany.

26Fa betsaka no naripany ka maty,

ary ny mahery indrindra aza dia matiny avokoa.

27Ny tranony dia lalana mankany amin’ny fitoeran’ny maty*,

eny, midina ho any amin’ny efitranon’ny fahafatesana.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help