Levitikosy 6 - Malagasy Bible Revision Version

Fitsipika momba ny mpisorona Ny fanatitra dorana manontolo

1Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:

2Mandidia an’i Arona sy ireo zanany hoe: Izao no lalàna momba ny fanatitra dorana manontolo: Ny fanatitra dorana manontolo dia hatao eo amin’ny fatana eo an-tampon’ny alitara mandritra ny alina mandra-maraina ary ny afon’ny alitara dia hirehitra eo.

3Ary hanaovan’ny mpisorona ny akanjony vita amin’ny lamba rongony, ary ny kalisaonina vita amin’ny lamba rongony dia hataony manolo-koditra; ary handraoka ny lavenona avy amin’ny fanatitra dorana manontolo izay nolevonin’ny afo teo ambonin’ny alitara izy ka hametraka azy eo anilan’ny alitara.

4Dia hanala ny fitafiany izy ary hitafy fitafiana hafa ka hamoaka ny lavenona ho eny ivelan’ny toby amin’izay toerana madio.

5Ary ny afo eo ambonin’ny alitara dia hirehitra ka tsy havela ho faty, fa hotohofan’ny mpisorona kitay hazo isa-maraina; halahany eo amboniny ny fanatitra dorana manontolo ka hodorany ho fofona eo amboniny ny jaboran’ny fanati-pihavanana.

6Hisy afo mirehitra mandrakariva eo ambonin’ny alitara fa tsy havela ho faty.

Ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry

7Izao no lalàna ny amin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry: Ireo zanak’i Arona no hanatitra azy eo anatrehan’NY TOMPO eo anoloan’ny alitara.

8Hakany eran’ny tanana ila ny koba tsara toto amin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry, ny diloilo sy ny ditin-kazo manitra rehetra miaraka amin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry, dia hodorany hanetroka eo ambonin’ny alitara izany fanati-pahatsiarovana izany ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO.

9Izay sisa amin’izany dia hohanin’i Arona sy ireo zanany; hataony tsy misy masirasira izany ary eo amin’ny fitoerana masina iray ao anatin’ny kianjan’ny tranolay fihaonana* no hihinanany azy.

10Tsy hasiana masirasira izany rehefa hendasina fa efa nomeko ho anjarany avy amin’ny fanatitra levonina amin’ny afo ho Ahy. Zavatra tena masina izany, tahaka ny fanatitra fanadiovana sy tahaka ny fanati-panonerana.

11Ny lehilahy rehetra amin’ny zanak’i Arona no mahazo mihinana azy io. Ho anjara maharitra ho an’ny taranakareo fara aman-dimby avy amin’ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO izany, ary ho masina izay rehetra mikasika azy.

12Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:

13Izao no fanatitr’i Arona sy ireo zanany, hateriny ho an’NY TOMPO amin’izay andro anosorana azy: Koba tsara toto ampahafolon’ny efaha* no hatao fanatitra avy amin’ny zavamaniry isanandro ka ny antsasany amin’ny maraina ary ny antsasany amin’ny hariva.

14Amin’ny lapoaly no hanaovana azy ka asiana diloilo; rehefa mifangaro tsara izy dia ento; voaendy sady voavakivaky toy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry no hanateranao azy ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO.

15Ilay mpisorona avy amin’ireo zanany izay voahosotra handimby azy no hanatanteraka izany. Lalàna maharitra izany ka hodorana ho fofona avokoa ho an’NY TOMPO.

16Eny, ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry rehetra izay aterin’ny mpisorona dia hodorana avokoa fa tsy hohanina.

Ny fanatitra fanadiovana

17Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:

18Mitenena amin’i Arona sy ireo zanany hoe: Izao no lalàna ny amin’ny fanatitra fanadiovana: Eo amin’ny toerana famonoana ny fanatitra dorana manontolo no hamonoana eo anatrehan’NY TOMPO ny fanatitra fanadiovana. Zavatra tena masina izany.

19Ilay mpisorona manao ny fanatitra fanadiovana no hihinana azy; eo amin’izay fitoerana masina no hihinanany azy, eo amin’ny kianjan’ny tranolay fihaonana.

20Ho masina izay rehetra mikasika ny henany, ary raha misy fitafiana ipitihan’ny rany dia hosasanao eo amin’izay fitoerana masina ny faritra nipitihany.

21Ny vilany tany izay nahandroana azy dia hovakivakina; nefa raha vilany varahina kosa no nahandroana azy dia hofotsina sy hosasana amin’ny rano izany.

22Ny lehilahy rehetra amin’ny mpisorona no mahazo mihinana azy. Zavatra tena masina izany.

23Koa ny fanatitra fanadiovana izay hakana ra hoentina ao amin’ny tranolay fihaonana, hanaovana fanavotana ao amin’ny fitoerana masina, dia tsy hohanina fa hodorana amin’ny afo.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help