Salamo 84 - Malagasy Bible Revision Version

Hiran’ny mpivahiny tonga any JerosalemaHo an’ny mpiventy hira. Al-hagitit. Salamo nataon’ny Koraìta.

1Endre ny hatsaran’ny tabernakelinao*,

Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao ô!

2Manina sady vonton’alahelo ny kianjan’NY TOMPO ny fanahiko;

mihoby an’Andriamanitra velona ny foko sy ny nofoko.

3Eny, mahita trano ny tsikirity

ary mahita akany hametrahany ny zanany ny sidintsidina,

dia ny alitaranao, Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao ô,

Mpanjakako sy Andriamanitro!

4Sambatra izay mitoetra ao amin’ny tranonao!

Hidera Anao mandrakariva izy. Fiatoana.

5Sambatra ny olona izay manana ny heriny ao Aminao;

ao am-pony ny lalana voavoatra tsara.

6Raha mandeha mamakivaky ny lohasaha Baka izy

dia ataony misy loharano izany

ary ny lohaorana no manarom-pitahiana azy.

7Mitombo hery eny am-pandehanana izy;

samy miseho eo anatrehan’Andriamanitra any Ziona* izy rehetra.

8RY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao ô, henoy ny vavaka ataoko!

Mandrenesa, ry Andriamanitr’i Jakoba ô! Fiatoana.

9Andriamanitra, ampinganay ô, tsinjovy!

Jereo ny tavan’ny Voahosotrao.

10Fa ny indray andro eo an-kianjanao dia tsara noho ny arivo;

aleoko mipetraka eo amin’ny tokonam-baravaran’ny tranon’Andriamanitra,

toy izay hitoetra ao an-dain’ny ratsy fanahy.

11Fa masoandro sy ampinga NY TOMPO Andriamanitra;

fahasoavana sy voninahitra no homen’NY TOMPO,

tsy miaro zava-tsoa amin’izay mandeha amin’ny fahitsiana Izy.

12Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao ô,

sambatra izay olona matoky Anao!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help