1Mihainoa izao teny izao, ianareo ombivavin’i Basana,
izay eny amin’ny tendrombohitr’i Samaria,
dia ianareo izay mampahory ny mahantra
sy manorotoro ny sahirana
ary miteny amin’ny vadinareo hoe:
Mitondrà hosotrointsika!
2NY TOMPO Andriamanitra no efa nianiana tamin’ny fahamasinany hoe:
Indro, ho avy aminareo ny andro
izay hitarihana anareo amin’ny farango
sy izay sisa aminareo amin’ny fintana;
3avy eo amin’ny banga no hivoahanareo samy amin’izay hitsiny avy
ary hatsipy any Hermona ianareo,
hoy NY TOMPO.
Fanatitra alasafay4Mankanesa any Betela ka manotà!
Ary any Gilgala ka manotà fatratra!
Ento isa-maraina ny fanatitrareo alatsa-dra
ary isan-kateloana ny fahafolonkarenanareo!
5Mandoroa fanati-pisaorana miaraka amin’ny mofo misy masirasira!
Miantsoa fanatitra an-tsitrapo, eny, ambarao izany!
Satria ny toy izany no sitrakareo, ry Zanak’Israely,
hoy NY TOMPO Andriamanitra.
Tsy miverina amin’Andriamanitra ny Israely6Izao kosa no efa nataoko anareo: Nataoko mitsako tsy misy ianareo tany an-tanànanareo rehetra
ary nasiako tsy fahampian-kanina tamin’ny fonenanareo rehetra.
Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo,
hoy NY TOMPO.
7Izaho anefa no nampihantona ny ranonorana tsy ho aminareo
raha telo volana sisa tsy ho fararano,
koa tamin’ny tanàna iray no nampilatsahako ranonorana
ary tamin’ny tanàna iray hafa kosa tsy mba nampilatsahako;
ny saha iray dia nilatsahan’ny ranonorana,
ary ny saha iray hafa kosa tsy mba nilatsahany dia maina.
8Dia nivembena ny tanàna roa aman-telo
nitady rano tany amin’ny tanàna iray,
kanjo tsy afaka hetaheta izy.
Kanefa tsy niverina tamiko ihany ianareo,
hoy NY TOMPO.
9Efa nasiako tamin’ny vary mainan’ny hafanana sy ny maty fotsy ianareo;
ny tanimbolinareo maro, ny tanim-boalobokareo, ny aviavinareo ary ny hazo olivanareo,
dia nohanin’ny valala.
Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo,
hoy NY TOMPO.
10Efa nandefasako areti-mandringana tahaka ilay tany Ejipta ianareo;
novonoiko tamin’ny sabatra ny zatovonareo
sady nobaboina koa ny soavalinareo;
nampiakariko ho eo am-bavoronareo ny hamaimboan’ny tobinareo.
Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo,
hoy NY TOMPO.
11Efa nisy tanàna noravako teo aminareo,
tahaka ny nandravan’Andriamanitra an’i Sodoma sy i Gomora,
koa efa tahaka ny forohana nosarihana tamin’ny afo ianareo.
Nefa mbola tsy niverina tamiko ihany ianareo,
hoy NY TOMPO.
12Koa izao no hataoko aminao, ry Israely ô!
Satria hahatonga izany aminao Aho dia miomàna hihaona amin’Andriamanitrao, ry Israely ô!
13Fa indro Ilay mamolavola ny tendrombohitra sy mahary ny rivotra
ary mampahafantatra ny olombelona izay heviny,
dia Ilay mahatonga ny maraina ho haizina
ary mandia ny havoana amin’ny tany:
NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, no anarany.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.