1Andriamanitra ô, faingàna hanafaka ahy!
TOMPO ô, faingàna hamonjy ahy!
2Aoka ho menatra sy hangaihay izay mitady ny aiko;
aoka hiamboho sy ho afa-baraka izay faly amin’ny manjo ahy!
3Aoka hiamboho noho ny fahamenarany
izay miteny hoe: Hia! Akory izay!
4Aoka hifaly sy ho ravoravo Aminao
izay rehetra mitady Anao!
Ary aoka izay tia ny famonjenao
hiteny mandrakariva hoe: Hankalazaina anie Andriamanitra!
5Fa izaho dia ory sy mahantra.
Faingàna hankaty amiko, Andriamanitra ô;
Mpamonjy sy Mpanafaka ahy Ianao.
Aza ela, TOMPO ô!
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.