Tononkiran’i Solomona 3 - Malagasy Bible Revision Version

Manonofy mandeha hitady an-dRalehilahy Ravehivavy

1Eo am-pandrianako aho, rehefa alina,

dia mitady ilay malalan’ny aiko;

nitady azy aho nefa tsy nahita azy.

2Hiarina aho ka handehandeha eny an-tanàna,

dia eny an-dalambe sy eny an-kianja,

hitady ilay tian’ny fanahiko,

eny, nitady azy aho nefa tsy nahita azy.

3Hitan’ny mpiambina izay mandehandeha misafo ny tanàna aho;

dia hoy aho hoe: Sao mba hitanareo lahy ilay tian’ny foko iny?

4Vao avy nandalo ireo kely foana aho

dia hitako ilay tian’ny foko

ka nohazoniko izy fa tsy navelako handeha

mandra-pitondrako azy ho any an-tranon’Ineny,

dia ao amin’ny efitranon’ilay niteraka ahy.

(Olon-kafa?)

5Mampianiana anareo aho, ry zanakavavin’i Jerosalema,

amin’ny gazela na amin’ny dieravavy any an-tsaha:

Aza manaitra na mamoha ny fitiavana,

raha tsy efa sitrapony.

(Olon-kafa)

6Iza moa irỳ miakatra avy any an-tany efitra

tahaka ny andry setroka

sady manitra miora sy ditin-kazo mani-pofona

mbamin’ny vovo-javamanitra samihafa entin’ny mpivaro-mandeha?

7Indro ny filanjan’i Solomona!

Lehilahy mahery fo enimpolo,

avy amin’ny lehilahy mahery voafantina amin’ny Israely, no manotrona azy.

8Mitana sabatra avokoa izy rehetra sady mahay miady,

ary samy mitondra ny sabany eo amin’ny fehikibony avy

noho ny tahotra amin’ny alina.

9Nanamboatra filanjana ho azy i Solomona mpanjaka,

filanjana izay vita tamin’ny hazo avy any Libanona:

10Volafotsy no nataony andriny,

ary volamena ny fiankinana,

lamba volomparasy ny fipetrahana eo aminy;

ny ao anatiny dia voatemitra fitiavana

avy tamin’ny zanakavavin’i Jerosalema.

11Mivoaha, ry zanakavavin’i Ziona*, ka mijere an’i Solomona mpanjaka,

izay misatroka ilay satroboninahitra nasatroky ny reniny azy

tamin’ny andro nampakarany vady,

dia ilay tamin’ny andro nifalian’ny fony.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help