Salamo 94 - Malagasy Bible Revision Version

Andriamanitra no Mpamaly ny tsy fahamarinana

1RY TOMPO, Andriamanitra Mpamaly ny natao ô,

Andriamanitra, Mpamaly ny natao ô, misehoa ka mamirapirata!

2Mitsangàna, ry Mpitsara ny tany ô,

valio amin’izay tandrify azy ny mpiavonavona!

3Mandra-pahoviana re ny ratsy fanahy, TOMPO ô,

mandra-pahoviana re no mbola hiravoravo ny ratsy fanahy?

4Mirezadrezatra sy manao teny an’avona izy;

mirehareha ny mpanao ratsy rehetra.

5Ny olonao, TOMPO ô, dia torotoroiny

ary ny lovanao dia ampahoriany;

6ny mpitondratena sy ny vahiny dia vonoiny

ary ny kamboty dia matiny.

7Fa hoy izy: Tsy mijery NY TOMPO,

tsy mandinika ny Andriamanitr’i Jakoba!

8Mba mandiniha, ianareo olona ketrina;

ary ianareo kely saina, rahoviana re no mba ho hendry ianareo?

9Izay namboly ny sofina va tsy handre?

Izay namolavola ny maso va tsy hahita?

10Izay mampianatra ny Jentilisa* va tsy hananatra,

dia Izy izay mampianatra fahalalana ny olona?

11NY TOMPO no mahalala ny hevitry ny olona

fa zava-poana izany!

12Sambatra izay olona anarinao, TOMPO ô,

sady ampianarinao avy amin’ny lalànanao

13mba homenao fitsaharana amin’ny andro fahoriana izy,

mandra-pihady lavaka ho an’ny ratsy fanahy!

14Fa NY TOMPO tsy mba hanary ny olony

ary ny lovany dia tsy hafoiny.

15Fa hiverina ho amin’ny fahamarinana ny fitsarana

ary hanaraka izany ny mahitsy fo rehetra.

16Iza no hitsangana hiaro ahy amin’ny mpanao ratsy?

Iza no hijoro hiaro ahy amin’ny mpanao meloka?

17Raha tsy NY TOMPO no Mpamonjy ahy

dia vetivety dia efa nitoetra tao amin’ny mangingina aho.

18Fony aho niteny hoe: Mangozohozo ny tongotro,

dia ny famindramponao, TOMPO ô, no nanohana ahy.

19Raha be ny ahiahy ato anatiko

dia mampifaly ahy ny fampiononanao.

20Hiray tetika Aminao va ireo mpitsara lozan-tany

izay mamolavola fampahoriana araka ny lalànany?

21Manao andiany hamely ny ain’ny marina ireo

ka manameloka ny ran’ny tsy manan-tsiny.

22Fa tonga fiarovana avo ho ahy NY TOMPO

ary vatolampy fialofako Andriamanitro.

23Ampanodiaviny azy ireo ny helony

ka aringany noho ny faharatsiany izy;

eny, aringan’NY TOMPO Andriamanitsika izy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help