1Noho ireo rehetra ireo dia manao fanekena mafy izahay ka soratanay izany ary asian’ny mpanapaka anay sy ny levitanay* ary ny mpisoronay tombo-kase eo aminy.
2Ny nanisy tombo-kase dia i Nehemia governora zanak’i Hakalia, i Zedekia,
3i Seraia, i Azaria, i Jeremia,
4i Pasora, i Amaria, i Malkia,
5i Hatosy, i Sebanaia, i Maloka,
6i Harima, i Meremota, i Obadia,
7i Daniela, i Ginetona, i Baroka,
8i Mesolama, i Abia, i Miamina,
9i Mazia, i Bilgay ary i Semaia; samy mpisorona ireo.
10Ary ny levita dia i Josoa, zanak’i Azania, i Binoy isan’ny zanak’i Henadada ary i Kadmiela,
11ary ny rahalahin’ireo dia i Sebania, i Hodia, i Kelita, i Pelaia, i Hanana,
12i Mika, i Rehoba, i Hasabia,
13i Zakora, i Serebia, i Sebania,
14i Hodia, i Bany ary i Benino.
15Ny loholona kosa dia i Parosy, i Pahata-Moaba, i Elama, i Zato, i Bany,
16i Bony, i Azgada, i Bebay,
17i Adonia, i Bigvay, i Adina,
18i Atera, i Hezekia, i Azora,
19i Hodia, i Hasoma, i Bezay,
20i Harifa, i Anatota, i Nebay,
21i Magpiasy, i Mesolama, i Hezira,
22i Mesezabela, i Zadoka, i Jadoa,
23i Pelatia, i Hanana, i Anaia,
24i Hosea, i Hanania, i Hasoba,
25i Halohesy, i Pila, i Sobeka,
26i Rehoma, i Hasabna, i Mahaseia,
27i Ahia, i Hanana, i Anana,
28i Maloka, i Harima ary i Bana.
29Ny olona sisa mbamin’ny mpisorona sy ny levita, ny mpiandry varavarana, ny mpihira, ny Netinima* ary izay rehetra efa niavaka tamin’ny olona teo an-toerana mba hanaraka ny lalànan’Andriamanitra mbamin’ny vadin’ireo sy ny zanany lahy ary ny zanany vavy, izay rehetra afaka mihaino,
30dia samy nikambana tsara tamin’ny olo-manankaja rahalahiny ka niozona sy nianiana hanaraka ny lalànan’Andriamanitra izay nampilazaina an’i Mosesy, mpanompon’Andriamanitra. Nianiana koa izy fa hitandrina sy hankatò ny didy rehetra izay nataon’NY TOMPO Andriamanitsika mbamin’ny fitsipika sy ny lalànany;
31tsy hanome ny zanakay vavy ho vadin’ny tompon-tany, na haka ny zanany vavy ho vadin’ny zanakay lahy;
32tsy hividy zavatra amin’ny andro Sabata*, na amin’izay andro masina hafa, raha misy entana na vary entin’ny tompon-tany hamidy amin’ny andro Sabata, ary tsy hamboly zavatra amin’ny taona fahafito sady hamoy izay trosa rehetra.
33Ary nanao lalàna ho anay koa izahay handoa ny ampahatelon’ny sekela isan-taona hanaovana ny fanompoana momba ny tranon’Andriamanitsika:
34dia ho amin’ny mofo atao fanatitra mandrakariva avy amin’ny zavamaniry sy ny fanatitra mandrakariva, dorana manontolo, ary ho amin’ny Sabata sy ny voaloham-bolana sy ny fotoam-pivavahana, ary ho amin’ny zava-masina sy ny fanatitra fanadiovana hanaovana fanavotana ho an’ny Israely; eny, hanaovana ny raharaha rehetra momba ny tranon’Andriamanitsika.
35Ary nanao antsapaka izahay ny amin’ny hanateran’ny mpisorona sy ny levita mbamin’ny vahoaka ny kitay hazo, hitondranay azy ho ao amin’ny tranon’Andriamanitsika araka ny fianakavianay avy amin’ny fotoanandro isan-taona, handoroana eo ambonin’ny alitaran’NY TOMPO Andriamanitsika araka izay voasoratra ao amin’ny lalàna,
36ary mba hitondranay ny voaloham-bokatry ny taninay sy ny voaloham-bokatry ny hazo mamoa rehetra ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO isan-taona isan-taona;
37ary ny lahimatoanay sy ny voalohan-teraky ny biby fiompinay, araka izay voasoratra ao amin’ny lalàna, ary ny voalohan-teraky ny ombinay sy ny ondry aman’osinay, dia nekenay hoentina ho ao amin’ny tranon’Andriamanitsika, ho an’ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana ao amin’ny tranon’Andriamanitsika;
38ary mba hitondranay ho an’ny mpisorona koa ny voalohan’ny kobanay voafetafeta sy ny fanomezanay, ny voaloham-bokatry ny hazo rehetra, ny ranom-boaloboka ary ny diloilo ho amin’ny efitrano ao amin’ny tranon’Andriamanitsika, ary ny ampahafolon’ny vokatry ny taninay dia ho an’ny levita; fa ny levita no mpandray ny fahafolonkarena eny an-tanàna rehetra akaikin’ny fambolenay.
39Ary hisy mpisorona iray, taranak’i Arona, hiaraka amin’ny levita, raha mandray ny fahafolonkarena izy; ary ny ampahafolon’ny fahafolonkarena dia hoentin’ny levita miakatra ho ao amin’ny tranon’Andriamanitsika, ho ao amin’ny efitrano ao an-trano fitahirizana.
40Fa ho ao amin’ireo efitrano ireo no hitondran’ny Zanak’Israely sy ny levita ny fanomezana, dia vary sy ranom-boaloboka ary diloilo, dia ho ao amin’ilay itoeran’ny fanaky ny fitoerana masina sy ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana sy ny mpiandry varavarana ary ny mpihira.
Tsy hahafoy ny tranon’Andriamanitsika izahay.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.