Salamo 3 - Malagasy Bible Revision Version

Voahodidin’ny fahavaloSalamo nataon’i Davida, fony izy nandositra an’i Absaloma zanany.

1TOMPO ô, akory izato hamaroan’ny mampahory ahy,

maro no mitsangana hanohitra ahy,

2maro no milaza momba ahy hoe:

Tsy misy famonjena ho azy ao amin’Andriamanitra! Fiatoana

3Kanjo Ianao, TOMPO ô, no ampinga ho ahy;

voninahitro Ianao ary mampitraka ny lohako.

4Miantso NY TOMPO aho

ary mamaly ahy avy ao amin’ny an-tendrombohiny masina Izy. Fiatoana

5Nandry aho ka natory

ary nifoha aho satria NY TOMPO no manohana ahy.

6Tsy hatahotra olona alinalina

izay milahatra manodidina hamely ahy aho.

7Mitsangàna, TOMPO ô! Vonjeo aho, Andriamanitro ô!

Mamely ny takolaky ny fahavaloko rehetra Ianao,

manapotika ny nifin’ny ratsy fanahy Ianao.

8An’NY TOMPO ny famonjena.

Ho amin’ny olonao anie ny fitahianao. Fiatoana

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help