Salamo 57 - Malagasy Bible Revision Version

Miantso an’Andriamanitra Avo Indrindra ahoHo an’ny mpiventy hira. Al-tashet. Miktama nataon’i Davida tamin’ny nandosirany an’i Saoly tao anaty zohy.

1Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko!

Fa Aminao no ialofako.

Eny, ao amin’ny aloky ny elatrao no ialofako

mandra-pahalasa ny loza.

2Hitaraina amin’Andriamanitra Avo Indrindra aho,

dia amin’Andriamanitra izay manatanteraka ny asany ho ahy.

3Haniraka famonjena ho ahy avy any an-danitra Izy

raha mbola miteny ratsy ny olona izay misafoaka manenjika ahy. Fiatoana.

Eny, Andriamanitra haniraka ny famindrampony sy ny fahamarinany.

4Eo afovoan’ny liona aho;

mandry eo amin’ny mpihinana olona aho;

lefona sy zana-tsipìka ny nifiny ary sabatra maranitra ny lelany.

5Misandrata any ambonin’ny lanitra Ianao, Andriamanitra ô!

Aoka ho ambonin’ny tany rehetra ny voninahitrao!

6Namela fandrika harato haningotra ny diako izy

ary nitanondrika aho;

nihady lavaka teo anoloako izy,

kanjo ny tenany ihany no latsaka ao anatiny. Fiatoana.

7Tafatoetra ny foko, Andriamanitra ô, eny, tafatoetra ny foko;

hihira sy hankalaza aho.

8Mifohaza, ry voninahitro!

Mifohaza, ry valiha sy lokanga!

Hampifoha ny maraina aho.

9Hidera Anao eny amin’ny firenena aho, Tompo ô,

hankalaza Anao eny amin’ny fokom-pirenena aho.

10Fa lehibe mihatra amin’ny lanitra ny famindramponao

ary mihatra amin’ny rahona ny fahamarinanao.

11Misandrata any ambonin’ny lanitra Ianao, Andriamanitra ô!

Aoka ho ambonin’ny tany rehetra ny voninahitrao!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help