1Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:
2Mitenena amin’i Arona sy ireo zanany mba hitandremany ny amin’ny tsy hikasihany ireo zava-masina izay hamasinin’ny Zanak’Israely ho Ahy mba tsy hanamavoany ny anarako masina. Izaho no TOMPO.
3Lazao aminy hoe: Izay rehetra maloto amin’ny zanakareo, hatramin’ny taranany fara aman-dimby, nefa manakaiky ireo zava-masina izay hamasinin’ny Zanak’Israely ho an’NY TOMPO dia hesorina tsy ho eo anatrehako. Izaho no TOMPO.
4Na iza na iza amin’ny taranak’i Arona no boka na marary mitsika eo amin’ny taovam-pananahana dia tsy hihinana ireo zava-masina izy mandra-pahadiony. Ary izay rehetra mikasika izay maloto amim-paty, na izay lehilahy nialan’ny tsirinainy
5na izay mikasika biby mandady na mikisaka izay maloto na lehilahy izay maloto, na inona na inona no fahalotoany,
6ny olona izay mikasika izany dia haloto mandra-paharivan’ny andro ka tsy hihinana amin’ny zava-masina raha tsy mandro amin’ny rano.
7Rehefa milentika ny masoandro vao hadio izy ka izay vao mahazo mihinana amin’ny zava-masina satria anjara haniny izany.
8Izay maty ho azy na izay noviraviraim-biby dia tsy hohaniny mba tsy hahaloto azy. Izaho no TOMPO.
9Aoka hitandrina izay asaiko tandremana izy fandrao ho meloka noho izany izy ka ho fatin’ny nanamavoany azy. Izaho TOMPO no manamasina izany.
10Aza avela hisy olon-kafa hihinana zava-masina. Na izay mivahiny ao amin’ny mpisorona na izay mpikarama dia samy tsy mahazo mihinana zava-masina.
11Fa raha misy olona novidin’ny mpisorona dia mahazo mihinana amin’izany ihany izy; ary izay teraka tao an-tranony koa dia mahazo mihinana amin’ny sakafon’ny mpisorona.
12Raha misy zanakavavin’ny mpisorona manambady olon-kafa dia tsy hihinana amin’ny fanatitra izay nalaina avy amin’ny zava-masina izy.
13Fa raha misy zanakavavin’ny mpisorona ka maty vady na efa nisara-bady, nefa tsy manan-janaka ary mody any an-tranon’ny rainy toy ny fony izy mbola kely, dia mahazo mihinana ny sakafon’ny rainy ihany izy; nefa aoka tsy hisy olon-kafa hihinana izany.
14Raha misy olona mihinana tsy nahy amin’ny zava-masina dia honerany ny zava-masina ka homeny ny mpisorona sady hampiany ny ampahadiminy izany.
15Aoka tsy hisy hanamavo ny zava-masin’ny Zanak’Israely izay ateriny ho an’NY TOMPO
16na hahatonga ota sy heloka noho ny nihinanany ny zava-masiny; fa Izaho TOMPO no manamasina izany.
Fitsipika momba ny fifidianana izay zavatra hatao fanatitra17Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:
18Mitenena amin’i Arona sy ny zanany ary ny Zanak’Israely rehetra hoe: Na iza na iza amin’ny taranak’Israely na amin’ny vahiny izay monina eo amin’ny Israely no manolotra ny fanatiny ho fanatitra hanalany voady na ho fanatitra an-tsitrapo, izay hatolony ho an’NY TOMPO ho fanatitra dorana manontolo,
19dia lahy tsy misy kilema no hatolony, na omby izany na zanak’ondry na osy, mba hankasitrahana anareo.
20Izay rehetra misy kilema dia tsy hatolotrareo; fa tsy hankasitrahana anareo izany.
21Raha misy manolotra fanati-pihavanana ho an’NY TOMPO, na ho fanatitra hanalany voady na ho fanatitra an-tsitrapo na omby izany na ondry na osy, dia izay tsara tsy misy kilema na kely akory aza no hatolony mba hankasitrahana azy.
22Fa ny jamba na ny misy tapaka na ny kilemaina na ny ferena na ny be hatina na ny be hazaka dia tsy mba hatolotrareo ho an’NY TOMPO, na hataonareo fanatitra levonina amin’ny afo eo ambonin’ny alitara ho an’NY TOMPO.
23Na omby na ondry na osy misy sampona dia azonao aterina ho fanatitra an-tsitrapo ihany; fa raha hanefana voady kosa dia tsy hankasitrahana izany.
24Izay voaporitra na voatoro na voaongotra na voadidy ho afaka ny vihindahiny, dia tsy azonareo atolotra ho an’NY TOMPO; ary aza manao izany eo amin’ny taninareo.
25Raha misy olona hafa firenena aza mitondra izany zavatra izany dia tsy azonareo atolotra ho hanin’Andriamanitrareo izany satria efa simba ka misy kilema; tsy mba hankasitrahana anareo izany.
26Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:
27Raha misy omby na ondry na osy vao teraka dia hitoetra amin’ny reniny hafitoana izy; fa rehefa hatramin’ny andro fahavalo no ho miakatra dia hankasitrahana izy raha atao fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO.
28Fa ny ombivavy na ny ondrivavy na ny osivavy dia tsy hovonoinareo indray andro izy sy ny zanany.
29Raha mamono zavatra hatao fanati-pisaorana ho an’NY TOMPO ianareo dia amin’izay hankasitrahana anareo no hamonoanareo azy.
30Amin’izany andro izany ihany no hihinanana azy fa aza amelana ho tra-maraina. Izaho no TOMPO.
31Tandremo ny didiko ka araho. Izaho no TOMPO.
32Aza manamavo ny anarako masina fa hohamasinina eo amin’ny Zanak’Israely Aho. Izaho TOMPO
33izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta mba ho Andriamanitrareo, no manamasina anareo. Izaho no TOMPO.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.