Salamo 85 - Malagasy Bible Revision Version

Milaza fiadanana amin’ny olony NY TOMPOHo an’ny mpiventy hira. Salamo nataon’ny Koraìta.

1TOMPO ô, efa naneho fitia tamin’ny taninao Ianao!

Efa nampodianao avy tamin’ny fahababoany i Jakoba;

2voaesotrao ny heloky ny olonao,

voasaronao ny fahotany rehetra. Fiatoana.

3Efa nampijanona ny fahatezeranao rehetra Ianao

ary niala tamin’ny fahatezeranao mirehitra.

4Miverena aminay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô!

Ary mialà amin’ny fahatezeranao aminay!

5Ho tezitra aminay mandrakizay va Ianao?

Hampaharetinao hahatratra ny taranaka fara aman-dimby va ny fahatezeranao?

6Tsy hovelominao indray va izahay

mba hifalian’ny olonao Aminao?

7Asehoy anay ny famindramponao, TOMPO ô,

ka omeo anay ny famonjenao!

8Hihaino izay holazain’NY TOMPO Andriamanitra aho;

fa milaza fiadanana amin’ny olony Izy, dia amin’ny olony masina;

koa aoka tsy hiverina ho ao amin’ny fahadalana ireo!

9Eny tokoa, akaikin’izay matahotra Azy ny famonjeny

mba hitoeran’ny voninahitra eo amin’ny tanintsika.

10Mihaona ny famindrampo sy ny fahamarinana;

mifanoroka ny rariny sy ny fihavanana;

11mitsimoka amin’ny tany ny fahamarinana

ary ny rariny dia mitsinjo avy eny an-danitra.

12Eny, NY TOMPO hanome ny tsara,

ary hahavoka-javatra ny tanintsika.

13Ny rariny no hialoha Azy

sady hizotra hanaraka ny diany eny an-dalana.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help