Salamo 97 - Malagasy Bible Revision Version

NY TOMPO no Mpanjaka, aoka hihoby ny tany!

1NY TOMPO no Mpanjaka, aoka hihoby ny tany!

Aoka hiravoravo ny nosy marobe!

2Rahona sy haizim-pito no manodidina Azy.

Fahamarinana sy fitsarana marina no fanorenan’ny sezafiandrianany.

3Misy afo mialoha Azy

ka mandevona ny fahavalony manodidina izany.

4Mahazava izao tontolo izao ny tselatra alefany;

mahita izany ny tany ka mihorohoro.

5Ny tendrombohitra dia miempo tahaka ny savoka eo anatrehan’NY TOMPO,

dia eo anatrehan’ny Tompon’ny tany rehetra.

6Ny lanitra dia manambara ny fahamarinany

ary ny firenena rehetra dia mahita ny voninahiny.

7Aoka ho menatra izay rehetra manompo sarin-javatra voasokitra

sy mirehareha ny amin’ny andriamanitra tsy izy.

Miankohofa eo anoloan’NY TOMPO

ianareo andriamanitra rehetra.

8Mandre i Ziona* ka faly

ary miravoravo ny zanakavavin’i Joda*

noho ny fitsaranao, TOMPO ô!

9Fa Ianao, TOMPO ô, no Avo Indrindra, ambonin’ny tany rehetra;

tafasandratra avo ambonin’ny andriamanitra rehetra Ianao.

10Ianareo izay tia NY TOMPO, mankahalà ny ratsy!

Miaro ny ain’ny olony masina Izy

ary manafaka azy amin’ny tanan’ny ratsy fanahy.

11Ny fahazavana no voafafy ho an’ny marina

ary ny fifaliana dia ho an’ny mahitsy fo.

12Mifalia amin’NY TOMPO, ry olo-marina

ary miderà ny anarany masina!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help