Joba 19 - Malagasy Bible Revision Version

Ny teny navalin’i Joba: Hitsangana ny Mpanavotra ahy amin’ny farany

1Dia namaly i Joba hoe:

2Mandra-pahoviana no hampalahelovanareo ny fanahiko

sy hanorotoroanareo ahy amin’ny fiteny?

3Efa impolo izay no nanaratsianareo ahy;

tsy menatra ny hampahory ahy ianareo.

4Raha diso tokoa aho

dia izaho ihany no andrian’ny fahadisoako.

5Raha mirehareha amiko kosa ianareo

ka mampiaiky ahy ho nanao izay mahamenatra

6dia aoka ho fantatrareo fa Andriamanitra no efa nampitanondrika ahy

ka efa naningotra ahy tamin’ny fandrika haratony.

7Indro, miantso mafy aho hoe: Loza! Nefa tsy misy mamaly ahy;

mitaraina aho, nefa tsy mahita rariny!

8Ny lalako dia nofefeny ka tsy afa-mandroso aho;

nasiany haizina eo amin’ny lalana alehako.

9Ny voninahitro dia nalany tamiko

ary nesoriny ny satroboninahitra teo an-dohako.

10Efa nandrava ahy manodidina Izy ka efa ho faty aho;

efa nofongorany tahaka ny hazo ny fanantenako.

11Nampirehetiny tamiko ny fahatezerany

ka nataony ho fahavalony aho.

12Miara-mandroso ny antokon’ny miaramilany

ary manandratra tovon-tany hamelezany ahy izy

ka mitoby manodidina ny tranolaiko.

13Ny rahalahiko dia efa nampanalaviriny ahy

ary ny olona nahazatra ahy dia mihafahafa amiko avokoa.

14Tsy misy eto intsony ny havako

ary ny sakaizako dia efa nanadino ahy.

15Ny vahiny izay mitoetra ao an-tranoko

sy ny mpanompovaviko aza dia samy manao ahy ho olon-kafa;

tonga olon-ko azy eo imasony aho.

16Antsoiko ny mpanompoko

nefa tsy namaly ahy izy;

mifona aminy amin’ny vavako aho.

17Ny fofonaiko dia mahaloiloy ny vadiko

ary maharikoriko ny zanak’Ineny aho.

18Eny, ny ankizilahy madinika aza dia mamingavinga ahy;

raha te hitsangana aho dia miteny mamely ahy ireny.

19Na dia izay nifankazatra tamiko indrindra aza dia manao ahy ho zava-betaveta

ary izay olon-tiako dia mivadika ho fahavaloko.

20Ny taolako dia miraikitra amin’ny hoditro sy ny nofoko

ary ny akanjonifiko ihany no hany sisa azoko enti-mandositra.

21Mamindrà fo amiko, mamindrà fo amiko ianareo, ry sakaizako ô,

fa namely ahy ny tanan’Andriamanitra.

22Nahoana no manenjika ahy tahaka an’Andriamanitra koa ianareo

ka tsy mety afa-po amin’ny nofoko?

23Enga anie ka ho voasoratra ny teniko!

Enga anie ka ho voasokitra ao amin’ny boky ireny!

24Enga anie ka ho voasoratra amin’ny vy fanoratana sady voaisy firaka

eo amin’ny vatolampy ho mandrakizay izy!

25Kanefa raha izaho dia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy

ka hitsangana any am-parany eo ambonin’ny vovoka Izy.

26Ary rehefa levona ny hoditro, izao simba izao,

sady afaka amin’ny nofoko aho, dia hahita an’Andriamanitra;

27eny, izaho no hahita Azy

ary ny masoko no hijery fa tsy olon-kafa.

Efa matim-paniriana ny saiko ato anatiko.

28Raha hoy ianareo: Fomba ahoana no hanenjehantsika azy?

Dia hohitantsika ao anatiny ny fototry ny mahameloka azy.

29Dia matahora ny sabatra ianareo;

fa ny fahatezerana dia heloka mendrika ny hovalian-tsabatra

mba ho fantatrareo fa misy fitsarana.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help