Isaia 16 - Malagasy Bible Revision Version

Ireo voaroaka tao Moaba

1Anatero zanak’ondry ny mpanapaka amin’ny tany,

hatreo Sela ka manerana ny tany efitra

hatrany amin’ny tendrombohitr’i Ziona* zanakavavy.

2Tahaka ny vorona notairina niala tamin’ny akaniny ka mirenireny foana,

ho toy izany ny zanakavavin’i Moaba ao amin’ny fitàna any Arnona.

3Manolora saina, mandraisa fanapahan-kevitra,

ataovy tahaka ny alina ny alokao, na dia amin’ny andro mitataovovonana aza;

afeno izay voaroaka

ary aza aseho izay mandositra!

4Aoka hitoetra ao aminao izay oloko voaroaka, ry Moaba!

Aoka ho fiereny ianao mba tsy ho azon’ny mpandringana azy izy!

Fa tsy misy intsony ny mpampahory;

tapitra ny loza,

tsy misy amin’ny tany intsony ny mpanosihosy.

5Ary hisy sezafiandrianana hampitoerina amin’ny famindrampo.

Hisy hipetraka amin’ny fahamarinana eo aminy ao an-dain’i Davida,

ary hitsara sy handinika izay marina izy sady ho haingam-pamoaka fitsarana marina.

Fitomaniana an’i Moaba

6Efa renay ny fiavonavonan’i Moaba;

fatra-piavonavona loatra izy,

mirehareha sy miavonavona,

manao vava tafahoatra ary miteniteny foana.

7Noho izany dia hidradradradra amin’i Moaba i Moaba; eny, samy hidradradradra avokoa izy rehetra;

hitomany ny faharavan’i Kira-Hareseta ianareo

ka ho ory indrindra.

8Fa malazo ny sahan’i Hesbona;

norantsanan’ny andrianan’ny firenena ny voalobok’i Sibma

izay tonga hatrany Jazera

sy nisandrahaka tany an-tany efitra;

nandadilady ny sampany ka tafita ny ranomasina.

9Koa izany no hitomaniako ny voalobok’i Sibma,

toy ny fitomanian’i Jazera,

handena anao amin’ny ranomasoko aho, ry Hesbona sy Elale,

satria eo amin’ny vokatrao lohataona sy ny fararanonao

dia tsy misy ny horakoraka fanao raha mioty voaloboka.

10Tsy ahitana ny hafaliana sy ny haravoravoana any amin’ny sahan-kazo fihinam-boa;

tsy misy hoby na horakoraka ao amin’ny tanim-boaloboka!

Tsy hanosihosy divay ao amin’ny famiazana intsony ny mpanosihosy;

efa natsahatro ny horakoraka fanao raha mioty voaloboka.

11Noho izany dia mitaraina manao feon-dokanga ny ato anatiko noho ny amin’i Moaba

ary malahelo ny foko noho ny amin’i Kira-Haresa.

12Miseho i Moaba, sasatra ao amin’ny toerana fanaovana sorona izy.

Mankao amin’ny fitoerany masina izy mba hivavaka nefa tsy mahazo na inona na inona.

13Izany no tenin’NY TOMPO nataony fahiny ny amin’i Moaba.

14Ankehitriny kosa dia hoy NY TOMPO hoe: Raha afaka telo taona, tahaka ny taonan’ny mpikarama, dia ho tsinontsinona ny voninahitr’i Moaba. Na dia betsaka aza ny vahoakany dia ho vitsy sisa; eny, ho vitsy foana ka tsy misy lanjany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help