Ezekiela 19 - Malagasy Bible Revision Version

Hira fitarainan’ny liona

1Ary ianao, manaova hira fisaonana ny amin’ireo andrianan’ny Israely

2ka lazao hoe:

Inona moa reninareo? Liom-bavy izy.

Namitsaka teo amin’ny liona izy

ary nitaiza ny zanany

teo amin’ny liona tanora.

3Nahalehibe ny zanany iray izy

dia tonga liona tanora io

ka nianatra hamiravira haza

sady nihinana olona.

4Nahare ny lazany ny firenena

dia namandrika azy tamin’ny lavaka

ka nasiany masom-by ny orony,

ary noentiny ho any amin’ny tany Ejipta izy.

5Nony hitan’ny liom-bavy

fa foana sy levona ny fanantenany

dia nanalany indray ny zanany

ka notezainy ho tonga liona tanora.

6Dia nivoivoy teny amin’ny liom-bavy iny

ka tonga liona tanora,

ary nianatra hamiravira haza

sady nihinana olona.

7Narodany ny lapan’ireny

sady noravany ny tanànany

ka lao ny tany mbamin’izay rehetra tao aminy

noho ny feon’ny fierony.

8Ary ny Jentilisa* manodidina,

izay avy any amin’ny fari-piadidiany samihafa,

dia nanamboatra sy namelatra ny fandrika haratony taminy

ka voafandrika tamin’ny lavaka izy.

9Nataony tamin’ny tranokely izy ka nasiany masom-by ny orony

ary noentiny ho any amin’ny mpanjakan’i Babilona izy;

noentiny ho ao amin’ny manda izy

mba tsy ho re intsony ny feony

eny amin’ny tendrombohitry ny Israely.

Fitarainan’ny tahom-boaloboka

10Ny reninao dia tahaka ny voaloboka

voavoly teo amoron-drano,

vokatra sady nanaroka izy

azon’ny rano betsaka.

11Nisy rantsany matanjaka teo aminy

ka azo natao tehim-panjakana ho an’izay manapaka izany.

Tonga avo izy ka nitehika teny amin’ny rahona matevina,

mora tazana noho ny haavony izy

sy noho ny hamaroan’ny rantsany.

12Nefa nongotana tamin’ny fahavinirana izy

ka nazera ho amin’ny tany;

ny rivotra avy any atsinanana no nahamaina ny voany;

ny rantsany matanjaka dia tapaka ka maina;

levon’ny afo ireny.

13Ary ankehitriny dia voavoly any an-tany efitra izy,

dia ao amin’ny tany maina sady karankaina.

14Afo no mivoaka avy amin’ny sampany

ka mandevona ny voany;

tsy misy rantsany mafy

azo atao tehim-panjakana ho fanapahana intsony izy.

Hira fisaonana izany sady mbola ho hira fisaonana ihany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help