Salamo 13 - Malagasy Bible Revision Version

Mandra-pahoviana no hanadinoanao ahy?Ho an’ny mpiventy hira. Salamo nataon’i Davida.

1TOMPO ô, mandra-pahoviana no mbola hanadinoanao ahy ihany?

Mandra-pahoviana no mbola hanafenanao ny tavanao amiko?

2Mandra-pahoviana no mbola hisaintsainako ato anatiko

sy halahelovako am-po isanandro?

Mandra-pahoviana no mbola hisandratan’ny fahavaloko ho amboniko?

3Jereo aho ka valio, RY TOMPO Andriamanitro ô!

Ampahazavao ny masoko,

fandrao renoky ny torimasom-pahafatesana aho,

4fandrao ny fahavaloko hilaza hoe: Naharesy azy aho!

Fandrao hifaly ny rafiko raha mangozohozo aho.

5Fa raha izaho kosa dia ny famindramponao no itokiako;

hiravoravo amin’ny famonjenao ny foko.

6Hihira ho an’NY TOMPO aho satria nanisy soa ahy Izy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help