Isaia 44 - Malagasy Bible Revision Version

Aza matahotra, ry Israely

1Mihainoa ankehitriny, ry Jakoba mpanompoko

sy ry Israely izay nofidiko.

2Izao no lazain’NY TOMPO izay namorona anao,

sy namolavola anao hatrany am-bohoka

sady mamonjy anao:

Aza matahotra,

ry Jakoba mpanompoko,

ary ianao, ry Jesoròna izay nofidiko;

3fa handatsaka rano amin’izay mangetaheta Aho

ary handefa riaka ho amin’izay tany karankaina;

eny, handrotsaka ny Fanahiko amin’ny taranakao Aho

ary ny fitahiako ho amin’ny naterakao.

4Dia haniry eny afovoan’ny ahitra ireny,

tahaka ny hazomalahelo eny anilan’ny rano mandeha.

5Ny iray dia hilaza hoe: An’NY TOMPO aho!

Ary ny iray dia hiantso ny anaran’i Jakoba.

Ary ny iray koa dia hanoratra eo amin’ny tanany hoe An’NY TOMPO,

ary hotononiny amim-panajana ny anarana hoe Israely.

Ireo izay manao sarin-javatra voasokitra

6Izao no lazain’NY TOMPO, Mpanjakan’ny Israely,

Mpanavotra azy,

dia Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao:

Izaho no voalohany ary Izaho no farany,

koa tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.

7Ary iza moa no tahaka Ahy? Aoka izy hiteny mafy!

Aoka izy hanambara sy handahatra Amiko izay niseho

hatrizay nampitoerako ny firenena fony fahagola!

Ary aoka hambarany koa

izay zavatra ho avy sy mbola ho tonga.

8Aza matahotra na mangovitra ianareo;

tsy efa nampandre anareo hatramin’ny fahiny va Aho ka nanambara taminareo?

Eny, ianareo no vavolombeloko.

Moa misy Andriamanitra afa-tsy Izaho va?

Tsia, tsy misy Vatolampy,

tsy mahafantatra Aho.

9Izay mamorona sarin-javatra voasokitra dia zava-poana avokoa;

tsy mahasoa akory ny zavatra tiany indrindra;

ireny no vavolombelony,

sady tsy mahita ireny

no tsy mahalala,

koa hitsanga-menatra noho izany izy.

10Iza no namorona andriamanitra,

na nanao sarin-javatra voarendrika

izay tsy mahasoa akory?

11Indro, ho menatra ny namany rehetra;

fa ny mpahay taozavatra nanao ireny dia olona ihany;

aoka hivory izy rehetra

ka handroso;

aoka ho raiki-tahotra sy ho menatra avokoa izy.

12Ny mpanefy vy dia mandoro ny fiasany

tahaka ny famaky ao anaty vainafo

ary manamboatra azy amin’ny maritoa;

miasa azy amin’ny sandriny matanjaka izy;

nefa noana izy

ka ketraka ny heriny;

tsy misotro rano izy

ka reraka.

13Ny mpandrafitra dia manenjana ny kofehy

sy manamarika azy amin’ny fanoratana;

manamboatra azy amin’ny vankona izy,

ary manamarika azy amin’ny fanoritam-paribolana;

mahavita azy ho tahaka ny endrik’olona izy,

tahaka ny hatsaran-tarehin’ny olona,

mba hampitoerina ao an-trano.

14Mikapa hazo sedera izy

ary maka hazo kipreso sy hazo oaka

izay efa nitombo tany an’ala;

mamboly hazo kesika izy

ka ampanirin’ny ranonorana izany;

15Fanaovan’ny olona kitay izany

ary analany hamindroany.

Ampirehetiny izany mba hanendasany mofo

sady anaovany andriamanitra

ka ivavahany;

eny, anaovany sarin-javatra voasokitra koa izany

ka iankohofany.

16Ny antsasany amin’ilay hazo dia dorany amin’ny afo

ka amin’io antsasany io no ahandroany ny hena hohaniny;

manatsatsika hena izy ka voky;

eny, mamindro izy ka miteny hoe: Aha!

Mafana aho izany, nahita afo aho!

17Ny hazo sisa kosa dia amboariny ho andriamanitra, ho sarin-javatra voasokitra,

dia miondrika sy miankohoka eo anatrehany izy

ka mivavaka aminy hoe:

Vonjeo aho, fa andriamanitro ianao!

18Tsy mahalala na mahafantatra ireny;

fa voatampina ny masony

ka tsy mahita,

toy izany koa ny fony

ka tsy mahalala.

19Tsy mieritreritra izy

na mba manana fahalalana

sy saina akory hitenenana hoe:

Nodorako tamin’ny afo ny antsasany;

eny, nanendy mofo tamin’ny vainafony aho:

nanatsatsika hena aho dia nihinana;

koa ny sisa dia hataoko fahavetavetana!

Hiankohoka eo anatrehan’ny vatan-kazo aho!

20Homan-davenona izy;

voafitaka ny fony ka nampivily azy,

tsy mahavonjy azy izy

na mahalaza hoe:

Moa tsy lainga va no eto an-tanako havanana?

Tompon’ny tantara ny Mpahary izao rehetra izao

21Tsarovy izany, ry Jakoba,

dia ianao ry Israely, fa mpanompoko ianao;

noforoniko ianao ka mpanompoko;

tsy hohadinoiko ianao, ry Israely ô.

22Efa nandevona ny fahadisoanao tahaka ny fandevona ny zavona Aho,

ary ny fahotanao tahaka ny rahona;

koa miverena Amiko fa efa nanavotra anao Aho.

23Mihobia, ry lanitra,

fa NY TOMPO no nanao izany!

Manaova feo fifaliana ianareo, ry toerana lalina any ambanin’ny tany!

Velomy ny hoby, ry tendrombohitra!

Ary ianao ry ala mbamin’izay hazo rehetra ao!

Fa NY TOMPO efa nanavotra an’i Jakoba

sady mampiseho ny voninahiny eo amin’Israely.

24Izao no lazain’NY TOMPO, izay nanavotra anao

sady namolavola anao hatrany am-bohoka:

Izaho no TOMPO izay manao ny zavatra rehetra,

Izaho irery no manenjana ny lanitra;

ny tenako ihany no mamelatra ny tany;

25Manafoana ny fambara lazain’ny mpibedibedy Aho

ary mahavery saina ny mpisikidy;

mampihemotra ny olon-kendry Aho

ka mampody ny fahalalany ho fahadalana.

26Mahatò ny tenin’ny mpanompoko Aho

ary manatanteraka ny saina atolotry ny irako.

Miteny amin’i Jerosalema Aho hoe:

Honenana ianao,

ary amin’ireo tanànan’i Joda hoe: Hatsangana ianareo

ka hamboariko izay rava.

27Milaza amin’ny rano lalina Aho hoe:

Aoka ho maina ianao;

hataoko tankina ny oninao.

28Ary milaza an’i Kirosy Aho hoe: Izy no mpiandry ondriko!

Koa izay sitrako rehetra dia hotanterahiny;

ary hiteny amin’i Jerosalema izy hoe:

Hatsangana ianao!

Ary amin’ny tempoly hoe:

Haorina indray ianao.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help