Ohabolana 25 - Malagasy Bible Revision Version

Tenim-pahendrena samihafa

1Ireto koa ny ohabolan’i Solomona, izay nangonin’ny olon’i Hezekia, mpanjakan’ny Joda:

2Voninahitr’Andriamanitra ny manafin-javatra,

fa voninahitry ny mpanjaka kosa ny mamanta-javatra.

3Ny haavon’ny lanitra sy ny halalin’ny tany

ary ny fon’ny mpanjaka dia samy tsy azo fantarina avokoa.

4Esory ny taim-bolafotsy

dia hisy fanaka ho an’ny mpandrendrika.

5Esory ny ratsy fanahy tsy ho eo anatrehan’ny mpanjaka

dia ho tafaorina amin’ny fahamarinana ny sezafiandrianany.

6Aza manandra-tena eo anatrehan’ny mpanjaka

ary aza mijoro eo amin’ny toeran’ny lehibe;

7fa aleo ianao hantsoina hoe: Miakara etỳ!

Toy izay atambotsotra eo imason’ny manankaja izay hitan’ny masonao.

8Aza maika hampiditra ady amin’ny fitsarana,

satria, inona no hataonao amin’ny manaraka

raha resin’ny mpiady aminao ianao?

9Miadia ihany ny adinao amin’ny namanao,

kanefa aza aseho izay tsy tian’ny sasany holazaina,

10fandrao izay mandre dia hanondro maso anao

ka tsy ho afaka aminao ny laza ratsy.

11Ny teny atao amin’ny antony

dia paoma volamena misy ravaka volafotsy.

12Kavina volamena sy ravaka volamena tsara

ny mpananatra hendry, raha amin’ny sofina mihaino.

13Toy ny hatsiakan’ny orampanala amin’ny taom-pijinjana,

dia toy izany ny iraka mahatoky amin’izay naniraka azy:

Mamelombelona ny fon’ny tompony izy.

14Toy ny rahona sy ny rivotra tsy misy orana

ny olona izay mirehaka mampanantena fanomezana tsy misy akory.

15Ny fahari-po no ahazoana mampanaiky ny mpitondra,

ary ny teny malefaka no mahatapaka taolana.

16Mahita tantely va ianao? Hano izay antonona anao,

fandrao voky loatra ianao ka handoa azy.

17Aza miditra matetika ao an-tranon’ny namanao,

fandrao tofoka aminao izy ka ho halany ianao.

18Langilangy sy sabatra ary zana-tsipìka maranitra

ny olona izay mitsangana ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namany.

19Toy ny nify simatsimaka sy ny tongotra mangozohozo

ny fiankinana amin’ny mpamitaka amin’ny andro fahoriana.

20Toy ny miala lamba amin’ny hatsiaka ary toy ny vinaingitra amin’ny sirahazo,

dia toy izany ny mikalo amin’ny malahelo am-po.

21Raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy;

ary raha mangetaheta izy, omeo rano hosotroiny.

22Fa amin’izany dia hanambatra vainafo ho eo ambonin’ny lohany ianao

ary NY TOMPO no hamaly soa anao.

23Ny rivotra avy any avaratra no mahatonga ranonorana,

dia toy izany ny lelan’ny mpifosa, mahavinitra endrika.

24Aleo mitoetra eo an-joron’ny tampon-trano*

toy izay miray trano amin’ny vehivavy tia ady.

25Rano mangatsiatsiaka amin’ny fanahy reraka

ny filazana soa avy any an-tany lavitra.

26Loharano voahosihosy sy fantsakana voaloto

ny marina izay mihozongozona eo anatrehan’ny ratsy fanahy.

27Tsy tsara ny mihinan-tantely be loatra

na ny mitady voninahitra hanampy voninahitra.

28Tanàna rava tsy misy manda

ny lehilahy izay tsy mahatsindry ny fahatezerany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help