Levitikosy 4 - Malagasy Bible Revision Version

Ireo fanatitra hahazoana famelan-keloka Noho ny fahotan’ny Mpisoronabe

1Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:

2Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Raha misy olona manota tsy nahy amin’ny fandikana ny iray amin’ireny didin’NY TOMPO rehetra ireny ka manao izay tsy tokony hatao:

3Raha ny mpisorona voahosotra no manota ka mahameloka ny olona dia aoka izy hanolotra vantotra ombilahy tsy misy kilema noho ny fahotana izay vitany, dia fanatitra fanadiovana ho an’NY TOMPO.

4Hitondra ny vantotra ombilahy ho eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana* eo anatrehan’NY TOMPO izy ka hametraka ny tanany amin’ny lohan’ny vantotra ombilahy ary hamono azy eo anatrehan’NY TOMPO.

5Hakan’ny mpisorona voahosotra ny ran’ny vantotra ombilahy dia hoentiny ho ao amin’ny tranolay fihaonana;

6ary hanatsoboka ny fanondrony ao amin’ny ra ny mpisorona ka hafafiny impito eo anatrehan’NY TOMPO, eo anoloan’ny efitra lamba ao amin’ny fitoerana masina izany.

7Hotentenan’ny mpisorona ra ireo tandroky* ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra eo anatrehan’NY TOMPO, dia ireo ao amin’ny tranolay fihaonana. Ny ra sisa rehetra avy amin’ny vantotra ombilahy kosa dia hararany eo an-tongotry ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo, izay eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana.

8Dia halainy avokoa ny jaborany rehetra amin’ilay vantotra ombilahy izay atao fanatitra fanadiovana, dia ny jabora mandrakotra ny taovany sy ny jaboran-tsinainy,

9ny voany roa mbamin’ny jabora mandrakotra azy, izay rehetra eo amin’ny takibany ary ny ila atiny lehibe. Hataony indray manala amin’ny voany no fakany izany,

10tahaka ny fanalana azy amin’ny omby izay atao fanati-pihavanana ary handoro azy ho fofona eo ambonin’ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo ny mpisorona.

11Fa ny hoditry ny vantotra ombilahy sy ny henany rehetra mbamin’ny lohany, ny tongony, ny taovany ary ny tain-drorohany,

12izany hoe ny tenan’ny vantotra ombilahy manontolo kosa indray no havoakany ho eny ivelan’ny toby, ho eny amin’izay toerana madio fanariana ny lavenona. Handoro azy eo ambonin’ny kitay eo amin’ny afo izy; eo amin’ny fanariana ny lavenona no handoroana azy.

Noho ny fahotan’ny fiangonana manontolo

13Raha ny fiangonan’ny Israely manontolo kosa no manota tsy nahy ka meloka, satria misy zavatra tsy hitan’ny mason’ny fiangonana, ary nandika ny iray amin’ireo didin’NY TOMPO amin’izay tsy tokony hatao izy,

14rehefa fantatra ny ota izay nataony, dia hanatitra vantotra ombilahy iray ny fiangonana mba ho fanatitra fanadiovana ka hitondra izany ho eo anoloan’ny tranolay fihaonana*.

15Ary ny loholon’ny fiangonana dia hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ny vantotra ombilahy eo anatrehan’NY TOMPO dia hovonoina eo anatrehan’NY TOMPO ilay vantotra ombilahy.

16Avy eo dia hakan’ny mpisorona voahosotra ny ran’ny vantotra ombilahy ka hoentiny ao amin’ny tranolay fihaonana;

17ary hanatsoboka ny fanondrony amin’ny ra ny mpisorona ka hafafiny impito eo anatrehan’NY TOMPO eo anoloan’ny efitra lamba izany.

18Hakany koa ny ra dia hohosorany ireo tandroky* ny alitara izay eo anatrehan’NY TOMPO, dia ilay ao anatin’ny tranolay fihaonana. Ny ra sisa rehetra dia haidiny eo an-tongotry ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo, izay eo am-baravaran’ny tranolay fihaonana.

19Hesoriny ny jaborany rehetra ka hodorany ho fofona eo ambonin’ny alitara.

20Ary ilay vantotra ombilahy dia hataony tahaka ny nataony tamin’ny vantotra ombilahy izay natao fanatitra fanadiovana, toy izany no hanaovany azy. Dia hanao fanavotana ho an’ny olona ny mpisorona ka havela ny helony.

21Ary ilay vantotra ombilahy dia havoakany ho eny ivelan’ny toby ka hodorany tahaka ny nandoroany ny vantotra ombilahy voalohany. Fanatitra fanadiovana ho an’ny fiangonana izany.

Noho ny fahotan’ny mpitondra

22Raha misy mpanapaka manota tsy nahy ary meloka satria mandika ny iray amin’ny didin’NY TOMPO Andriamaniny amin’izay tsy tokony hatao,

23raha misy olona mampahafantatra azy ny fahotana nataony, dia hitondra osilahy iray tsy misy kilema ho fanatiny izy.

24Hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ny osilahy izy dia hamono azy eo amin’ny famonoana ny fanatitra dorana manontolo eo anatrehan’NY TOMPO. Fanatitra fanadiovana izany.

25Hakan’ny mpisorona amin’ny fanondrony ny ran’ny fanatitra fanadiovana ka hahosony eo amin’ireo tandroky* ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo; ny ra sisa kosa dia haidiny eo an-tongotry ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo.

26Ny jaborany rehetra dia hodorany ho fofona eo ambonin’ny alitara, tahaka ny jaboran’ny fanati-pihavanana. Ary hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany ny mpisorona dia havela ny helony.

Noho ny fahotan’ny olon-tsotra

27Raha misy olona amin’ny vahoaka manota tsy nahy ary meloka satria mandika ny iray amin’ireo didin’NY TOMPO amin’izay tsy tokony hatao,

28raha misy olona mampahafantatra azy ny fahotana nataony, dia hitondra osivavy iray tsy misy kilema ho fanatiny noho ny fahotana izay vitany izy.

29Ary hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ny fanatitra fanadiovana izy dia hamono azy eo amin’ny fitoeran’ny fanatitra dorana manontolo.

30Hakan’ny mpisorona amin’ny fanondrony ny ra ka hohosorany ireo tandroky* ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo, ny ra sisa rehetra kosa dia hararany eo an-tongotry ny alitara.

31Hesoriny avokoa ny jaborany rehetra, tahaka ny fanesorana ny jaboran’ny fanati-pihavanana, ary handoro azy ho fofona eo ambonin’ny alitara ny mpisorona ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO; ary hanao fanavotana ho azy ny mpisorona dia havela ny helony.

32Raha ondry no entiny ho fanatitra noho ny ota dia vavy iray tsy misy kilema no hoentiny.

33Hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ny fanatitra fanadiovana izy dia hamono azy ho fanatitra fanadiovana eo amin’ny famonoana ny fanatitra dorana manontolo.

34Hakan’ny mpisorona amin’ny fanondrony ny ran’ny fanatitra fanadiovana dia hohosorany ireo tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo, ary ny ra sisa rehetra dia haidiny eo an-tongotry ny alitara.

35Hesoriny avokoa ny jaborany rehetra, tahaka ny fanesorana ny jaboran’ny ondry izay natao fanati-pihavanana, ary ny mpisorona dia handoro azy ho fofona eo amin’ny alitara, eo ambonin’ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO. Hanao fanavotana ho azy ny mpisorona noho ny fahotany izay nataony dia havela ny helony.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help