1Henoy ny fitarainako, Andriamanitra ô;
atongilano ny sofinao amin’ny vavaka ataoko!
2Avy atỳ am-paran’ny tany no iantsoako Anao fa reraka ny foko.
Ento aho ho any amin’ny vatolampy izay avo loatra ka tsy tratrako.
3Fa fialofako Ianao
ary tilikambo fiambenana mafy handosirako ny fahavalo.
4Te hitoetra ao an-dainao mandrakizay aho
ka hialoka ao ambanin’ny elatrao. Fiatoana.
5Fa Ianao, Andriamanitra ô, efa nandre ny voadiko;
efa nomenao ahy ny lovan’izay matahotra ny anaranao.
6Halavao ny andron’ny mpanjaka;
aoka ny taonany hahatratra ny taranaka maro!
7Aoka hitoetra eo anatrehan’Andriamanitra mandrakizay izy!
Famindrampo sy fahamarinana no tendreo hiaro azy;
8dia izany no hankalazako ny anaranao mandrakizay
mba hanefako isanandro ny voadiko!
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.