Estera 4 - Malagasy Bible Revision Version

Miangavy an’i Estera mba hanelanelana i Mordekay

1Nony fantatr’i Mordekay izay rehetra nitranga dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitafy akanjo fisaonana sady nihosin-davenona; dia nankeo afovoan’ny tanàna izy ka nitaraina sy nidradradradra mafy.

2Ary tonga teo anoloan’ny vavahadin’ny mpanjaka izy, nefa tsy nisy nahazo niditra tao amin’ny vavahadin’ny mpanjaka raha nitafy akanjo fisaonana.

3Tany amin’ny fari-piadidiana rehetra izay nalehan’ny tenin’ny mpanjaka sy ny didiny dia nalahelo mafy ny Jiosy* ka nifady hanina sy nitomany ary nidradradradra sady maro no nandry tamin’ny lamba fisaonana sy ny lavenona.

4Ary niditra ny mpanompovavy sy ny ionòka* nanompo an’i Estera ka nilaza izany taminy. Dia nangorakoraka ny vadin’ny mpanjaka ka nampanatitra lamba hitafian’i Mordekay izy mba hanesorany ny akanjo fisaonana taminy nefa tsy nety nandray izy.

5Ary niantso an’i Hatàka, ionòkan’ny mpanjaka, izay notendreny hanompo azy i Estera ka nampitondra teny azy ho any amin’i Mordekay mba hahafantarany hoe inona ny zava-nitranga ary inona no anton’izany.

6Dia lasa i Hatàka nankany amin’i Mordekay ho eo amin’ny kianjan’ny tanàna, ilay eo anoloan’ny vavahadin’ny mpanjaka.

7Dia nambaran’i Mordekay taminy izay rehetra nanjo azy sy ny tena isan’ny vola izay nokasain’i Hamana harotsaka ao amin’ny trano fitahirizan-drakitry ny mpanjaka noho ny Jiosy ho ringana.

8Nomeny azy koa ny dika mitovy amin’ny didy izay novakina tany Sosana handringanana azy mba haseho amin’i Estera ka hampahafantatra azy izany sy hiteny azy mba hiditra ao amin’ny mpanjaka ka hifona aminy sy hangataka eo anatrehany ho an’ny fireneny.

9Dia lasa niverina i Hatàka ka nanambara ny tenin’i Mordekay tamin’i Estera.

10Fa naniraka an’i Hatàka indray i Estera hilaza amin’i Mordekay hoe:

11Ny mpanompon’ny mpanjaka rehetra sy ny olona rehetra manerana ireo fari-piadidian’ny mpanjaka dia samy mahalala fa na iza na iza mankeo amin’ny mpanjaka eo an-kianja anatiny na lehilahy na vehivavy nefa tsy nantsoina dia tokana ihany ny lalàna ho an’ny rehetra mba hahafaty azy afa-tsy izay hotondroin’ny mpanjaka amin’ny tehina volamena mba hahavelona azy. Izaho anefa dia tsy nantsoina hiditra ao amin’ny mpanjaka efa telopolo andro izay.

12Dia nolazaina tamin’i Mordekay ny tenin’i Estera.

13Ary nampitondra valiny ho any amin’i Estera i Mordekay hoe: Aza mihevitra anakampo fa ianao no ho voavonjy amin’ny Jiosy rehetra saingy ao an-tranon’ny mpanjaka.

14Fa raha tsy hiteny na inona na inona ianao amin’izao fotoana izao dia hisy fanafahana sy famonjena hiseho avy amin’ny toerana hafa ho an’ny Jiosy fa ianao sy ny fianakavian-drainao dia haringana. Ary iza no mahalala fa angamba ho amin’izao andro izao mihitsy no nanandratana anao ho amin’ny fanjakana?

15Dia nampitondra valiny ho any amin’i Mordekay indray i Estera hoe:

16Mandehana ary ka vorio ny Jiosy rehetra izay hita eto Sosana. Mifadia hanina noho ny amiko ka aza mihinana na misotro mandritra ny hateloana na andro na alina. Izaho sy ny mpanompovaviko koa dia hifady toy izany ary amin’izany no hidirako ao amin’ny mpanjaka na dia tsy araka ny lalàna aza. Koa raha toa ka maty aho dia maty!

17Dia lasa i Mordekay ka nanatanteraka izay rehetra nandidian’i Estera azy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help