1Tantara 13 - Malagasy Bible Revision Version

Ny nanapahan’i Davida hevitra hitondra ny vata misy ny Fanekena ho any Jerosalema2Sam 6.1-11

1Naka saina tamin’ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, dia ny mpifehy rehetra i Davida

2ka hoy izy tamin’ny Israely rehetra izay tafangona: Raha heverinareo fa mety, sady avy amin’NY TOMPO Andriamanitsika izany, dia andeha isika handefa iraka haingana any amin’ny rahalahintsika rehetra izay sisa amin’ny tanin’ny Israely rehetra ary amin’ny mpisorona sy ny levita* koa, izay any amin’ny tanànany sy ny tany manodidina azy, mba hivory atỳ amintsika.

3Ary aoka haverintsika atỳ amintsika indray ny vata misy ny faneken’Andriamanitsika; fa tsy nahoantsika izy io tamin’ny andron’i Saoly.

4Ary ny olona rehetra izay tafangona dia nanaiky hanatanteraka izany, satria marina teo imason’ny olona rehetra izany.

5Dia novorin’i Davida ny Israely rehetra hatrany Sihora any Ejipta ka hatrany akaikin’i Hamata haka ny vata misy ny faneken’Andriamanitra avy any Kiriata-Jearima.

6Dia niakatra hankany Baala i Davida sy ny Israely rehetra, any Joda any Kiriata-Jearima izany, hampakatra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO Andriamanitra, izay mipetraka amin’ny kerobima*, ilay iantsoana ny anarany.

7Ary noentiny tamin’ny sarety vaovao niala tao an-tranon’i Abinadaba ny vata misy ny faneken’Andriamanitra. I Oza sy i Ahio no nampandeha ny sarety.

8I Davida sy ny Israely rehetra kosa dia nitsinjaka fatratra teo anatrehan’Andriamanitra tamin’ny hira, ny lokanga, ny valiha, ny ampongatapaka, ny kipantsona ary ny trompetra.

9Nony tonga teo amin’ny famoloan’i Kidona izy dia nanatsotra ny tanany hihazona ny vata misy ny Fanekena* i Oza, satria nibolasitra ny omby.

10Dia nirehitra tamin’i Oza ny fahatezeran’NY TOMPO ka namely azy Izy noho ny nanatsorany ny tanany tamin’ny vata misy ny Fanekena. Dia maty teo anatrehan’Andriamanitra i Oza.

11Nalahelo i Davida noho ny namelezan’NY TOMPO an’i Oza ka nataony hoe Pereza-Oza no anaran’izany toerana izany mandraka androany.

12Ary natahotra an’Andriamanitra i Davida tamin’izany andro izany ka nilaza hoe: Amin’ny fomba ahoana no hitondrako ny vata misy ny faneken’Andriamanitra ho atỳ amiko?

13Dia tsy nafindran’i Davida ho ao aminy ao an-Tanànan’i Davida ny vata misy ny Fanekena fa naviliny ho ao an-tranon’i Obeda-Edoma gatita.

14Ary nipetraka telo volana tao amin’ny ankohonan’i Obeda-Edoma tao an-tranony ny vata misy ny faneken’Andriamanitra; dia notahin’NY TOMPO ny ankohonan’i Obeda-Edoma sy izay rehetra nananany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help