Joela INDRAY MIJERY - Malagasy Bible Revision Version
INDRAY MIJERY«NY TOMPO no Andriamanitra», izany no hevitry ny anarana hoe Joela. Fotoana tsy nisian’ny mpanjaka, fa fotoana nampisongadina kosa ny asam-pisoronana no nahaveloman’i Joela.Heverina ho taorianan’ny fahababoana no nanoratana ny bokin’i Joela, noho ny filazana ao amin’ny 4.2 ny amin’ny «Israely oloko sy lovako izay naeliny tany amin’ny Jentilisa».Ny votoatin’ny BokyNy bokin’ny Joela dia isan’ny lahatsoratra atao hoe apokaliptika izay milaza ny zavatra hitranga mialoha ny farany.Fampiomanana ny Andron’NY TOMPO ny fiavian’ny andiam-balala mahatsiravina sy ny hain-tany izay hanapotika ny firenena. Tsy misy azo atao amin’izay fotoana izay na dia ny hanao fanompoam-pivavahana aza. Ho avy hitsara Andriamanitra ka samy hotsaraina na ny Israely na ny Jentilisa. Mialoha izany anefa dia asain’Andriamanitra antsoin’ny mpaminany ny olona mba hibebaka amin’ny alalan’ny fifadian-kanina, ny fitomaniana, ny fisaonana ary ny fanaovana vavaka fifonana.Ho setrin’izany, raha mibebaka izy, dia hisy fitahiana be dia be homen’Andriamanitra, ary ny handrotsahany ny Fanahy Masina ho an’ny olona rehetra no lehibe indrindra amin’izany.FanamarihanaNy toko 3.1-5 ao amin’ny Baiboly malagasy dia manaraka ny fizarana ao amin’ny Baiboly hebreo, fa toko 2.28-32 izany ao amin’ireo Baiboly sasany izay manaraka ny fizarana ao amin’ny Baiboly dikanteny latina. Noho izany, amin’ireto farany, ny toko faha-4 amin’ny Baiboly malagasy dia lasa toko faha-3.Ny firafitry ny bokyFanafihan’ny andiam-balala sy hain-tany ary ny fitarainana noho izany: 1Ny Andron’NY TOMPO sy ny fitahiana omeny raha mibebaka ny olony: 2–3Ny fitsarana ny firenena ao amin’ny Lohasahan’i Josafata: Hotsaraina ny Jentilisa fa ho feno voninahitra kosa i Ziona: 4