Joba 36 - Malagasy Bible Revision Version

Mitaiza ny olona Andriamanitra

1Mbola nandroso niteny ihany i Eliho hoe:

2Mahareta kely amiko dia hambarako aminao,

fa mbola misy teny holazaina hanamarina an’Andriamanitra.

3Halaiko avy lavitra ny fahalalako

ka hanamarina ny Mpanao ahy aho.

4Fa tsy lainga tsy akory ny teniko;

lehilahy tanteraka amin’ny fahalalana no eto aminao!

5Indro, lehibe Andriamanitra, kanefa tsy mba mamingavinga;

lehibe amin’ny herin’ny fahalalana Izy.

6Tsy mitsimbina ny ain’ny ratsy fanahy Izy

fa manome rariny ho an’ny ory.

7Tsy mampiala ny masony amin’ny marina Izy.

Ny amin’ny mpanjaka dia ambonin’ny sezafiandrianany

no ampitoerany azy ho mandrakizay ka tafasandratra izy.

8Ary raha voafatotra amin’ny gadra izy ireny

sy voafehy amin’ny tadin’ny fahoriana

9dia ambarany azy ny asany sy ny fahotany

raha manandra-tena izy.

10Dia manokatra ny sofiny hihaino fananarana Izy

ka mandidy azy ireny hibebaka hiala amin’ny ratsy.

11Raha mihaino ka manaiky Azy izy

dia lany amin’ny fiadanana ny androny

ary ny taonany dia amin’ny fahafinaretana.

12Fa raha tsy mihaino kosa izy

dia ho voatifitry ny lefona

ka ho faty ao amin’ny tsy fahalalana.

13Fa ny mpihatsaravelatsihy dia mirakitra fahatezerana;

tsy mitaraina izy na dia afatony aza;

14maty tanora izy;

eny, afaka aina eo amin’ny mpijangajanga.

15Fa ny fahorian’ny ory kosa no entin’Andriamanitra mamonjy azy

ary ny manjo azy no entiny manokatra ny sofiny.

16Ary ianao koa aza dia sarihiny hiala tao amin’ny fahaterena

ho amin’ny malalaka tsy misy manembantsembana

ary ny matavy indrindra no aroso

ho eo ambonin’ny latabatrao.

17Raha mitsara ny adin’ny ratsy fanahy ianao

dia aoka hazonina ny rariny sy ny hitsiny;

18aoka tsy hampirisika anao hiteny ratsy ny fahatezerana

ary aoka tsy hampivily saina anao ny haben’ny kolikoly!

19Moa hahafaka anao amin’ny fahoriana va ny fitarainanao,

na izay rehetra tratry ny hery sy tanjakao?

20Aza irinao ny hiavian’ny alina

izay ampialana ny olona amin’ny fitoerany.

21Tandremo, aza mivily ho amin’ny ratsy,

fa saingy ozoim-pahoriana ianao dia mifidy izany.

Ny fahefan’Andriamanitra Tsitoha

22Indro Andriamanitra dia misandratra amin’ny heriny;

iza no mba mpampianatra tahaka Azy?

23Iza no nandidy Azy tamin’izay lalan-kalehany?

Ary iza no afaka hilaza Aminy hoe: Nanao ratsy Ianao?

24Tsarovy ny hankalaza ny asany

izay efa nataon’ny olona an-kira.

25Mandinika izany ny olona rehetra

ary mijery izany eny lavitra eny ny zanak’olombelona.

26Indro, lehibe Andriamanitra ka tsy takatry ny saintsika Izy;

tsy hita isa ny taonany.

27Fa manintona ny rano Izy

dia milatsaka ho ranonorana aman-javona izany

28ary aidin’ny rahona izany

ka alatsany amin’ny olona maro be.

29Ary koa, iza moa no mahalala ny amin’ny fivelatry ny rahona

sy ny fikotrokotroka ao an-dainy?

30Indro, mamelatra ny fahazavany eo amboniny Izy

ary manao ny fanambanin’ny ranomasina ho firakofany.

31Fa ireny zavatra ireny no itsarany ny firenena

sady anomezany hanina betsaka.

32Mifono fahazavana ny tanany

ary baikoiny iny mba hahavoa ny fahavalony.

33Ny fikotrokotrony dia manambara Azy

ary ny omby aman’ondry koa aza dia milaza ny hiaviany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help