Fitomaniana 3 - Malagasy Bible Revision Version

Fahoriana sy fanantenanaalef א

1Izaho ilay lehilahy nahita fahoriana

tamin’ny tsorakazon’ny fahatezerany.

2Izaho dia notarihiny sy nampandehaniny

ho amin’ny maizina, fa tsy ho amin’ny mazava.

3Izaho ihany no asian’ny tanany

isanandro.

bet ב

4Nataony mikainkona ny nofoko sy ny hoditro,

notapatapahiny ny taolako.

5Manorina manda hamelezany ahy Izy

ary manemitra ahy amin’ny zava-mangidy sy ny fahoriana.

6Ampitoeriny ao amin’ny maizina

toy izay efa maty hatrizay aho.

gimel ג

7Nofefeny manodidina aho ka tsy afa-niala,

nataony mavesatra ny gadrako.

8Ary na dia mitaraina sy miantso vonjy aza aho

dia sakanany ny vavaka ataoko.

9Vato voapaika no narafiny natampiny ny lalako,

ary naolikoliny ny alehako.

dalet ד

10Tonga bera manao vela-pandrika ho ahy Izy,

ary toy ny liona ao amin’ny fierena.

11Namily ny lalako Izy

ary noviravirainy aho ka navelany ho lao.

12Nanenjana ny tsipìkany Izy ka nametraka ahy

ho toy ny marika hokendrena amin’ny zana-tsipìka.

he ה

13Nampitsatoka ny zana-tsipìkany

tamin’ny voako Izy.

14Tonga fihomehezan’ny oloko rehetra aho

sady ataony an-kira mandritra ny andro.

15Novokisany anana mangidy aho

ary nobobohany zava-mahafaty.

vav ו

16Notorotoroiny tamin’ny vato kely ny nifiko

sady natsinkasinkasiny tamin’ny lavenona aho.

17Noroahinao tsy hahita fiadanana ny fanahiko

ka hadinoko ny fahasambarana.

18Dia hoy aho: Very ny lazako

sy ny fanantenako NY TOMPO.

zaìn ז

19Tsarovy ny fahantrako sy ny fanjenjenako,

dia ny zava-mangidy sy ny poizina.

20Tsaroako tokoa izany

ka mitanondrika aho.

21Izany no eritreretiko ato am-poko

ka mahatonga ahy hanantena.

het ח

22Ny famindrampon’NY TOMPO no tsy nahalany ritra antsika

satria tsy mitsahatra ny fiantrany.

23Vaovao isa-maraina izany;

lehibe ny fahamarinanao.

24NY TOMPO no anjarako, hoy ny fanahiko,

ka mahatonga ahy hanantena Azy izany.

tet ט

25Tsara NY TOMPO amin’izay miandry Azy,

dia amin’ny olona izay mitady Azy.

26Tsara ny manantena ny famonjen’NY TOMPO

amim-pahanginana.

27Tsara amin’ny olona ny mitondra zioga

amin’ny fahatanorany.

iod י

28Aoka hipetraka irery izy ka hangina

rehefa ampitondraina izany.

29Aoka hanohoka ny vavany eo amin’ny vovoka izy

fa angamba mbola hisy fanantenana.

30Aoka hanolotra ny takolany amin’izay mamely azy izy

ka ho feno latsa.

kaf כ

31Fa tsy hanary mandrakizay

ny Tompo;

32eny, na dia mampahory aza Izy dia mbola hiantra ihany,

araka ny haben’ny famindrampony,

33satria tsy sitrany ny mampahory

na mampalahelo ny zanak’olombelona.

lamed ל

34Ny fanitsakitsahana ny mpifatotra rehetra ambonin’ny tany

ho eo ambanin’ny tongotra,

35ny familiana ny rariny amin’ny olona

eo anatrehan’ny Avo Indrindra,

36ny famadihana ny adin’ny olona,

moa tsy samy jeren’ny Tompo va?

mem מ

37Iza moa no miteny ka mahatanteraka izany,

raha tsy didy avy amin’ny Tompo?

38Tsy avy amin’ny vavan’ny Avo Indrindra va

no ivoahan’ny soa sy ny ratsy?

39Koa nahoana no mitaraina ny olona velona,

fa aoka ny olona samy hisento noho ny amin’ny fahotany.

non נ

40Aoka isika handinika ny lalantsika sy hamantatra azy

ka hiverina indray amin’NY TOMPO.

41Aoka hasandratsika ny fontsika sy ny tanantsika

ho any amin’Andriamanitra any an-danitra.

42Izahay dia efa nanota sy naditra,

ary Ianao tsy namela heloka!

samek ס

43Nisarona fahatezerana Ianao ka nanenjika anay;

novonoinao izahay fa tsy niantranao.

44Nisarona rahona Ianao

ka voasakana ny vavaka.

45Nataonao tahaka ny fakofako

sy ny zavatra nariana teo afovoan’ny olona izahay.

pe פ

46Ny fahavalonay rehetra

dia mitanatana vava aminay.

47Nanjary tahotra sy lavaka ho anay izany,

sady faharavana sy fahatorotoroana.

48Rano mandriaka no mijononoka amin’ny masoko

noho ny fahatorotoroan’ny oloko zanakavavy.

aìn ע

49Ny masoko dia mandrotsa-dranomaso ka tsy misy fijanonany;

eny, tsy misy fiatoana,

50ambara-pitazan’NY TOMPO

ka hitsinjovany avy any an-danitra.

51Ny masoko dia mampahory ny fanahiko

noho ny amin’ny zanakavavin’ny tanànako rehetra.

tsade צ

52Manenjika ahy mafy, toy ny fanenjika voronkely

ny fahavaloko tsy amin’antony.

53Nanjera ahy tao an-davaka famorian-drano izy ka nitady hahafaty ahy

sady nitora-bato ahy.

54Mandifotra ny lohako ny rano

ka hoy aho: Maty aho ity!

kof ק

55TOMPO ô, niantso ny anaranao

avy tany an-davaka lalina indrindra aho.

56Ny feoko dia efa renao

ka aza tampenana ny sofinao, raha mitaraina

mitady izay mba hiainana kely aho.

57Nanakaiky Ianao tamin’ny andro niantsoako Anao

ka hoy Ianao: Aza matahotra.

res ר

58Tompo ô, Ianao nandahatra ny adiko

izay nikasika ny aiko; eny, Ianao no nanavotra ny aiko.

59TOMPO ô, hitanao ny fitsarana miangatra natao tamiko

ka mba tsarao ny adiko.

60Hitanao ny valifaty rehetra ataon’ireo,

dia ny saina rehetra entiny mamely ahy.

sin ש

61TOMPO ô, renao ny latsa ataony,

dia ny saina rehetra entiny mamely ahy,

62ny molotr’izay mitsangana hanohitra ahy

sy ny fimonomononany mandritra ny andro hamelezany ahy.

63Jereo ny fipetrany sy ny fitsangany,

fa ataony an-kira aho.

tao ת

64Hovalianao izy, TOMPO ô,

araka ny asan’ny tanany.

65Eny, hohamaizininao ny fony,

hihatra aminy ny ozonao.

66Henjehinao amin’ny fahatezerana izy ka haringanao

tsy ho etỳ ambanin’ny lanitry NY TOMPO.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help