Salamo 107 - Malagasy Bible Revision Version

BOKY FAHADIMYMiderà NY TOMPO mpanafaka

1Miderà NY TOMPO fa tsara Izy;

fa mandrakizay ny famindrampony.

2Aoka hilaza izany ny navotan’NY TOMPO,

dia izay navotany ho afaka tamin’ny tanan’ny fahavalo

3sy nangoniny avy tany amin’ny tany maro,

dia avy tany atsinanana sy andrefana ary tany avaratra sy tany amin’ny ranomasina.

4Nirenireny tany an-tany efitra ireny

ka nanavatsava tany an-tany foana ary tsy nahita tanàna honenana.

5Noana sy nangetaheta izy

sady reraka ny ainy tao anatiny.

6Dia nitaraina tamin’NY TOMPO ireo raha ory

ka nafahany tamin’izay mahatahotra azy;

7dia nitondra azy tamin’ny lalana mahitsy Izy

mba hankanesany any amin’izay tanàna honenana.

8Aoka hidera NY TOMPO ireo noho ny famindrampony

sy ny fahagagana ataony amin’ny zanak’olombelona!

9Fa mahafa-po ny fanahy mangetaheta Izy

ary ny fanahy noana dia vokisany soa.

10Izay nipetraka tao amin’ny haizina sy ny aloky ny fahafatesana

dia voafato-pahoriana sy vy

11satria nandà ny tenin’Andriamanitra

sady naniratsira ny anatry ny Avo Indrindra;

12dia nampietreny tamin’ny fahoriana ny fony;

koa potraka izy nefa tsy nisy hamonjy.

13Dia nitaraina tamin’NY TOMPO ireo raha ory

ka nafahany tamin’izay nampahatahotra azy.

14Nitondra azy nivoaka avy tao amin’ny haizina sy ny aloky ny fahafatesana Izy

ary notapahany ny fatorany.

15Aoka hidera NY TOMPO ireo noho ny famindrampony

sy ny fahagagana ataony amin’ny zanak’olombelona!

16Fa nanorotoro ny varavarana varahina Izy

ary notapatapahiny ny hidy vy.

17Mitondra fahoriana ny adala

noho ny fahadisoany sy ny helony.

18Nahamonamonaina azy ny hanina rehetra

ary nanakaiky ny vavahadin’ny fahafatesana izy.

19Dia nitaraina tamin’NY TOMPO ireo raha ory

ka nafahany tamin’izay nampahatahotra azy.

20Nandefa ny teniny Izy mba hahasitrana azy

ary nanafaka azy tao amin’ny lavaka nianjerany Izy.

21Aoka hidera NY TOMPO ireo noho ny famindrampony

sy ny fahagagana ataony amin’ny zanak’olombelona!

22Aoka hanolotra fanati-pisaorana izy

ary hilaza ny asany amin’ny fihobiana.

23Izay midina any an-dranomasina ka mandeha an-tsambo

sy manao raharaha any amin’ny rano lehibe

24no mahita ny asan’NY TOMPO

sy ny fahagagana ataony amin’ny rano lalina.

25Fa niteny Izy ka nanangana rivotra mahery

izay nampisondrotra ny onjan-drano;

26niakatra hatrany amin’ny lanitra ny olona

ary nidina hatrany amin’ny lalina;

torotoro noho ny fahoriana ny fanahiny.

27Fanina ireo sady nivembena toy ny mamo

ka very ny fahaizany rehetra.

28Dia nitaraina tamin’NY TOMPO ireo raha ory

ka nanafaka azy tamin’izay nampahatahotra azy Izy.

29Nampahatony ny rivotra mahery Izy

ka nitsahatra ny onjan-drano.

30Dia faly ireo satria nitsahatra izany

ary notarihiny ho amin’ny fitodiana niriny izy.

31Aoka hidera NY TOMPO ireo noho ny famindrampony

sy ny fahagagana ataony amin’ny zanak’olombelona!

32Ary aoka hanandratra Azy eo amin’ny fiangonan’ny olona izy

ka hidera Azy eo amin’ny fipetrahan’ny loholona.

33Mampody ny ony ho tany efitra Izy

ary ny loharano ho tany mangentana,

34ny tany mahavokatra ho tanin-tsira,

noho ny faharatsian’ny mponina eo.

35Mampody ny tany efitra ho farihy Izy

ary ny tany maina ho loharano;

36amponeniny ao izay noana

mba hanamboatra tanàna honenana;

37hamafy eny an-tsaha izy sady hamboly voaloboka

ka hahazo vokatra be.

38Dia mitahy azy Izy mba hitomboany betsaka

ka tsy avelany hihavitsy ny biby fiompiny.

39Fa mihakely sy mietry indray izy

noho ny fampahoriana sy ny loza ary ny alahelo.

40Mampidina fanamavoana amin’ny mpitondra NY TOMPO

ka mampirenireny azy any an-tany efitra tsy misy lalana;

41fa manandratra ny mahantra ho afa-pahoriana kosa izy

ka mampahamaro ny fianakaviany toy ny andian’ondry.

42Hahita izany ny marina ka ho faly

fa hikombom-bava kosa ny ratsy fanahy rehetra.

43Izay hendry dia aoka hitandrina izany

ka hahalala ny famindrampon’NY TOMPO.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help