Salamo 83 - Malagasy Bible Revision Version

Fitarainan’ny Israely izay rahonan’ny firenena manodidina azyTononkira. Salamo nataon’i Asafa.

1Andriamanitra ô, aza mangina Ianao!

Aza mihombom-bava, aza mamitsaka, Andriamanitra ô!

2Fa indro, mitabataba ny fahavalonao

ary izay mankahala Anao dia manandratra ny lohany.

3Ny olonao no iokoany amin’ny hafetsena

ary miara-misaina hamely izay arovanao izy.

4Hoy izy: Avia ka andeha hofongorantsika tsy ho firenena izy

mba tsy hotsarovana intsony ny anaran’ny Israely.

5Fa efa niray tetika tokoa ireo

ka nanao fanekena hanohitra Anao,

6dia ny tranolain’ny Edomita sy ny Ismaelita,

ny Moabita sy ny Hagarita,

7ny Gebalita sy ny Amonita ary ny Amalekita,

ny Filistina mbamin’ny mponina any Tiro;

8ny Asiriana koa dia nikambana taminy;

nanome sandry ny taranak’i Lota ireo. Fiatoana.

9Ataovy tahaka ny Midianita izy

ary tahaka an’i Sisera sy i Jabina teo amin’ny ony Kisona;

10levona tany Eny-Dora ireo;

tonga zeziky ny tany izy.

11Ataovy tahaka an’i Oreba sy i Zeba ny olo-manankaja eo aminy;

eny, ny andrianany rehetra dia ataovy tahaka an’i Zebaha sy i Zalmona

12izay niteny hoe: Aoka halaintsika

ho antsika ny fonenan’Andriamanitra!

13Andriamanitro ô, ataovy tahaka ny tadio ireo,

dia tahaka ny akofa entin’ny rivotra,

14tahaka ny afo mandoro ala

sy tahaka ny lelafo mampirehitra tendrombohitra!

15Aoka ho toy izany no anenjehanao azy amin’ny tadionao

sy ampihorohoroanao azy amin’ny tafio-drivotrao!

16Saròny henatra ny tavany

mba hitadiavany ny anaranao, TOMPO ô!

17Aoka ho menatra sy ho azon-tahotra mandrakizay izy;

eny, aoka hangaihay sy ho ringana izy.

18Aoka ho fantany fa Ianao irery ihany, izay atao hoe NY TOMPO,

no Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help