Salamo 30 - Malagasy Bible Revision Version

Namelona ahy Ianao TOMPO ô!Salamo. Hira tamin’ny nitokanana ny trano. Nataon’i Davida.

1Hanandratra Anao aho, TOMPO ô, fa nanintona ahy niakatra Ianao;

tsy navelanao hifalian’ny fahavaloko aho.

2TOMPO Andriamanitro ô!

nitaraina taminao aho dia nanasitrana ahy Ianao.

3TOMPO ô, efa nampiakatra ahy avy tany amin’ny fitoeran’ny maty* Ianao;

nampody ny aiko Ianao mba tsy ho isan’izay midina any an-davaka aho.

4Mankalazà NY TOMPO, ry olony masina,

miderà Azy ka ankalazao ny fahatsiarovana ny fahamasinany.

5Fa indray mipy maso ihany ny fahatezerany

nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany;

amin’ny hariva dia misy fitomaniana

fa nony maraina kosa dia misy fihobiana.

6Hoy aho raha mbola niadana:

Tsy hangozohozo mandrakizay aho!

7TOMPO ô, noho ny fankasitrahanao dia nampitoerinao mafy ny tendrombohitro.

Nanafina ny tavanao Ianao dia very hevitra aho.

8Ianao no nantsoiko, TOMPO ô!

Nifona tamin’NY TOMPO aho hoe:

9Inona no soa azo amin’ny rako

sy ny hidinako any an-davaka?

Hidera Anao va ny vovoka?

Hanambara ny fahamarinanao va izany?

10Mihainoa, TOMPO ô, ka mamindrà fo amiko!

TOMPO ô, aoka ho Mpamonjy ahy Ianao!

11Efa nampody ny fisaonako ho fandihizana Ianao,

efa nanaisotra ny akanjo fisaonako Ianao ka nampisikina ahy fifaliana,

12mba hankalazako ny voninahitrao ka tsy hangina aho.

TOMPO Andriamanitro ô, hidera Anao mandrakariva aho.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help