Isaia 65 - Malagasy Bible Revision Version

Ny vahoaka mpikomy sy ny mpanompon’Andriamanitra

1Notadiavin’izay tsy naniry Aho

ary hitan’izay tsy nitady;

hoy Aho tamin’ny firenena izay tsy niantso ny anarako:

Inty Aho! Inty Aho!

2Nanatsotra hatrany ny tanako Aho tamin’ny firenena mpikomy

izay mandeha amin’ny lalana tsy tsara

araka ny fisainany ihany,

3firenena izay nahatezitra Ahy mandrakariva na dia eo imasoko aza,

izay mamono zavatra hatao fanatitra eny amin’ny tanimboly,

ary mandoro ditin-kazo manitra eny ambonin’ny biriky;

4mipetraka any amin’ny fasana izy

ary mitoetra mandritra ny alina any am-pierena

sady mihinana henan-kisoa,

ary ny ron-kena maloto no ao amin’ny loviany.

5Hoy izy: Mihataha

fa aza manakaiky ahy,

fa izaho no masina fa tsy ianao.

Ireny dia setroka ao am-bavoroko;

eny, afo mirehitra mandritra ny andro.

6Indro, izao no voasoratra eo anatrehako:

Tsy hangina Aho mandra-pamaliko anareo;

eny, mandra-pamaliko ho ao an-tratranareo

7ny helokareo

sy ny heloky ny razanareo koa, hoy NY TOMPO,

dia izay olona nandoro ditin-kazo manitra teny an-tendrombohitra,

ary nihantsy Ahy teny amin’ny havoana;

eny, hamatra ny valin’ny asany

ho ao an-tratrany Aho aloha.

8Izao no lazain’NY TOMPO:

Tahaka ny ranom-boaloboka hita ao an-tsampahony

ka ataon’ny olona hoe: Aza simbana

fa misy fitahiana ao anatiny!

Dia toy izany no hataoko noho ny amin’ireo mpanompoko

ka tsy hanimba azy rehetra Aho.

9Hahatonga taranaka avy amin’i Jakoba Aho,

ary mpandova ny tendrombohitro avy amin’i Joda;

ireo voafidiko no handova azy;

eny, ireo mpanompoko no honina ao.

10Ho tonga fiandrasana ondry i Saròna,

ary ho fandrian’omby ny lohasahan’i Akora,

ho an’ny oloko izay nitady Ahy.

11Fa ny aminareo izay mahafoy NY TOMPO

sy manadino ny tendrombohitro masina

sady mamelatra latabatra ho an’i Gada

sy mampidina divay noharoharoan-javatra ho an’i Menỳ,

12dia hotendreko ho voan’ny sabatra ianareo

ka hahohoka hovonoina avokoa,

satria niantso Aho

nefa tsy namaly ianareo,

niteny Aho

nefa tsy nihaino ianareo,

fa nanao izay ratsy teo imasoko,

ary izay tsy sitrako no nofidinareo.

13Noho izany dia izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra:

Indro, hihinana ny mpanompoko,

fa ianareo kosa dia ho mosarena;

indro, hisotro ny mpanompoko,

fa ianareo kosa dia ho main-tenda;

indro, hifaly ny mpanompoko,

fa ianareo kosa dia hitsanga-menatra;

14indro, hihoby ny mpanompoko

noho ny haravoan’ny fo,

fa ianareo kosa dia hitoloko

noho ny alahelom-po,

ary hidradradradra

noho ny fahoriam-panahy.

15Hamela ny anaranareo ho fanozonana amin’ireo voafidiko ianareo,

ary hahafaty anao NY TOMPO Andriamanitra.

Fa ny mpanompony kosa dia homeny anaram-baovao;

16koa izay miarahaba tena etỳ ambonin’ny tany

dia hanao izany amin’ny anaran’Andriamanitry ny Amena*

ary izay mianiana etỳ ambonin’ny tany

dia hianiana amin’Andriamanitry ny Amena,

satria efa hadino ny fahoriana taloha

sady voafina izany ka tsy hitan’ny masoko.

17Fa indro Aho mahary lanitra vaovao

sy tany vaovao;

tsy hotsarovana intsony ny taloha,

na ho tonga ao an-tsaina akory aza.

18Fa mifalia kosa,

ary miravoravoa mandrakizay,

satria mahary izany Aho;

fa indro, mahary an’i Jerosalema ho fifaliana Aho

ary ny olony ho firavoravoana.

19Dia ho faly amin’i Jerosalema Aho

ary ho ravoravo amin’ny oloko;

tsy ho re any intsony

ny feo mitomany

sy ny feo mitaraina.

20Ary tsy hisy ao intsony

ny zaza minono fohy andro,

ary tsy hisy lahiantitra izay tsy nahatapitra ny androny;

fa mbola zatovo ihany izay maty na dia efa zato taona aza,

ary ny mpanota izay mahatratra zato taona dia ho toy ny voaozona.

21Hanao trano ny olona

ka hitoetra ao;

ary hanao tanim-boaloboka ny olona

ka hihinana ny vokatra aminy.

22Tsy hanao trano

hitoeran’olon-kafa izy,

na hamboly zavatra

hohanin’olon-kafa;

fa ho tahaka ny andron’ny hazo ny andron’ny oloko,

ary ireo voafidiko dia hanaram-po amin’ny asan’ny tanany.

23Tsy hisasatra foana izy,

na hitera-jaza ho tratry ny loza tampoka.

Fa taranak’izay notahin’NY TOMPO ireo,

ary ho ao aminy koa ny taranany.

24Raha tsy mbola miantso aza izy

dia hamaly Aho;

ary raha mbola miteny izy

dia hihaino Aho.

25Hiara-komana ny amboadia sy ny zanak’ondry,

ary hihina-mololo tahaka ny omby ny liona,

ary ny menarana dia vovoka no ho fihinany;

tsy handratra na hanimba

manerana ny tendrombohitro masina izy,

hoy NY TOMPO.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help