1Tantara 16 - Malagasy Bible Revision Version

1Nampiditra ny vata misy ny faneken’Andriamanitra ny olona ka nametraka azy tao afovoan’ny tranolay izay naorin’i Davida ho azy; avy eo dia nanolotra fanatitra dorana manontolo sy fanati-pihavanana teo anatrehan’Andriamanitra izy.

2Nony voatolotr’i Davida ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanati-pihavanana dia nitsodrano ny olona tamin’ny anaran’NY TOMPO izy.

3Dia nizara mofo iray avy sy hena iray didy ary mofo voaloboka ho an’ny Israely rehetra, na lahy na vavy, izy.

Ny hira nataon’ny levita ho fiderana NY TOMPO

4Notendren’i Davida ho mpanao fanompoam-pivavahana eo anatrehan’ny vata misy ny faneken’NY TOMPO ny levita* sasany mba hankalaza sy hisaotra ary hidera NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely:

5I Asafa no lehibeny, i Zakaria no nanarakaraka. I Jeiela, i Semiramota, i Jehiela, i Matitia, i Eliaba, i Benaia, i Obeda-Edoma ary i Jeiela no nitendry ny valiha sy ny lokanga; fa i Asafa no nampaneno ny kipantsona.

6I Benaia sy i Jahaziela mpisorona kosa no mpitsoka mandrakariva ny trompetra eo anoloan’ny vata misy ny faneken’Andriamanitra.

7Tamin’izay andro izay no voalohan’ny nanendren’i Davida an’i Asafa sy ny rahalahiny hidera NY TOMPO.

Sal 105.1-15

8Miderà NY TOMPO, miantsoa ny anarany!

Ampahafantaro ny firenena ny asany!

9Mihirà ho Azy, mankalazà Azy!

Saintsaino ny fahagagana rehetra ataony!

10Ataovy ho reharehanareo ny anarany masina!

Aoka hifaly ny fon’izay mitady NY TOMPO!

11Mitadiava NY TOMPO sy ny heriny,

katsaho mandrakariva ny tavany!

12Tsarovy ny asa mahagaga izay nataony,

dia ny fahagagana nataony sy ny fitsaran’ny vavany,

13ianareo taranak’Israely mpanompony,

ianareo olom-boafidiny, taranak’i Jakoba!

14NY TOMPO, Izy no Andriamanitsika;

manerana ny tany rehetra ny fitsarany.

15Tsarovy mandrakizay ny fanekeny,

dia ilay teny nomeny ho an’ny taranaka arivo mandimby,

16eny, ilay nataony tamin’i Abrahama

sy ny fianianany tamin’Isaka;

17izay naoriny ho lalàna ho an’i Jakoba

sy ho fanekena mandrakizay ho an’Israely

18ka nilazany hoe: Homeko anao ny tany Kanana

ho lovanareo voarefy tsara.

19Tamin’izay dia mbola olom-bitsy ianareo,

eny, vitsy sady vahiny tao;

20nifindrafindra tany amin’ny firenena

sy nifindrafindra fanjakana tany amin’ny firenen-kafa;

21tsy nisy navelany hampahory azy anefa,

fa nananatra mpanjaka noho ny amin’ireo Izy hoe:

22Aza mikasika ireo Voahosotro,

ary aza manisy ratsy ireo mpaminaniko!

Sal 96

23Mihirà ho an’NY TOMPO, ry tany rehetra!

Lazao isanandro isanandro ny vaovao mahafalin’ny famonjeny!

24Ambarao any amin’ny Jentilisa* ny voninahiny,

ary any amin’ny firenena rehetra ny fahagagana ataony!

25Fa lehibe NY TOMPO ka mendrika hoderaina indrindra,

sady mahatahotra, fa ambonin’ny andriamanitra rehetra.

26Ny andriamanitry ny firenena rehetra dia tsinontsinona,

fa NY TOMPO no nanao ny lanitra.

27Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany,

hery sy hafaliana no ao amin’ny fitoerany.

28Ry firenena, manomeza an’NY TOMPO,

eny, omeo voninahitra sy hery NY TOMPO!

29Omeo NY TOMPO ny voninahitry ny anarany!

Manolora fanatitra ka mankanesa eo anatrehany!

Miankohofa eo anatrehan’NY TOMPO amin’ny fihaingoana masina!

30Mangovita eo anatrehany, ry tany rehetra!

Izao rehetra izao dia voaorina ka tsy hihetsika.

31Aoka ho faly ny lanitra ary ho ravo ny tany!

Aoka holazaina any amin’ny firenena hoe: NY TOMPO no Mpanjaka!

32Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy!

Aoka ho faly ny saha sy izay rehetra ao aminy!

33Dia hihoby eo anatrehan’NY TOMPO amin’izay koa ny hazo any an’ala!

Fa avy hitsara ny tany Izy.

Sal 106.1, 47-48

34Miderà NY TOMPO fa tsara Izy,

fa mandrakizay ny famindrampony!

35Ary mitenena hoe: Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô,

angony izahay ka afaho amin’ny Jentilisa,

mba hisaoranay ny anaranao masina

ka ho reharehanay ny fiderana Anao!

36Isaorana anie NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely,

hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay.

Ary ny olona rehetra dia niteny hoe: Amena! Sady nidera NY TOMPO.

37I Asafa sy ny rahalahiny dia navelan’i Davida teo anoloan’ny vata misy ny faneken’NY TOMPO hanao fanompoam-pivavahana ao mandrakariva araka ny raharaha tokony hatao isanandro.

38I Obeda-Edoma, zanak’i Jedotona sy ny rahalahiny valo amby enimpolo ary i Hosa kosa dia ho mpiandry varavarana.

39I Zadoka mpisorona sy ny mpisorona rahalahiny dia navelany ho eo anoloan’ny tabernakelin’NY TOMPO teo amin’ny toerana fanaovana sorona any Gibeona.

40Izy ireo dia hanolotra fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO marain-tsy hariva eo amin’ny alitara fandoroana ny fanatitra mandrakariva, dorana manontolo, ary hanatanteraka izay rehetra voasoratra ao amin’ny lalànan’NY TOMPO, izay nomeny ny Israely.

41Naman’ireo koa i Hemana sy i Jedotona ary ny sisa amin’ny olona voafidy izay voatonona anarana hidera NY TOMPO, fa mandrakizay ny famindrampony!

42Tao amin’i Hemana sy i Jedotona dia nisy trompetra sy kipantsona natao hampanenoina; tao koa ireo karazavan-javamaneno hanaraka ny hira ho an’Andriamanitra. Ny zanak’i Jedotona no mpiandry varavarana.

43Dia samy nody tany an-tranony avy ny olona rehetra ary lasa nody koa i Davida mba hitsodrano ny ankohonany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help