1Mangataha ranonorana amin’NY TOMPO ianareo
amin’ny andron’ny faraorana!
NY TOMPO no manao ny oram-baratra.
Ranonorana mivatravatra no homeny azy,
Eny, samy homeny ny zava-maitso any an-tsaha ireny.
2Fa ny terafima* dia niteny zava-poana
ary ny mpisikidy nahita fahitana mandainga
ka nilaza nofy lainga,
Foana ny fampiononana nataony.
Koa izany no naniasiavany toy ny ondry;
ory izy, satria tsy misy mpiandry.
Eksodosy vaovao3Amin’ny mpiandry ondry no irehetan’ny fahatezerako
ary ireo osilahy no hovaliko;
Fa Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no namangy ny taranak’i Joda, ondry andrasany,
ka manao azy toy ny soavaliny miravaka ao amin’ny ady.
4Avy ao aminy no hiavian’ny vato fehizoro,
avy ao aminy no hiavian’ny tsatòkan’ny tranolay,
avy ao aminy no hiavian’ny tsipìka fiadiana,
avy ao aminy no hiavian’ny mpitarika rehetra.
5Ho toy ny lehilahy mahery ireo,
izay manitsaka ny fotaka eny an-dalana amin’ny ady;
hiady izy, satria NY TOMPO no momba azy;
ary ny mpitaingin-tsoavaly dia hitafy henatra.
6Hampahery ny taranak’i Joda Aho
ary hovonjeko ny taranak’i Josefa ka hampodiko indray,
satria mamindra fo aminy Aho
ka ho toy izay tsy nariako izy;
fa Izaho no TOMPO Andriamaniny ka hihaino azy.
7Ho toy ny lehilahy mahery i Efraima,
ary hifaly toy ny azon’ny divay ny fony;
hahita ny zanany ka ho faly;
hifaly amin’NY TOMPO ny fony.
8Hisiaka hiantso azy Aho ka hanangona azy,
satria manavotra azy Aho
ka mbola hihamaro toy ny efa nihamaroany ihany izy.
9Ary na dia hafafiko any amin’ny Jentilisa* aza izy
dia hahatsiaro Ahy any amin’ny tany lavitra;
samy ho velona izy mbamin’ny zanany
ary hiverina.
10Dia hampody azy avy any amin’ny tany Ejipta Aho
sy hanangona azy avy any Asiria;
ary any amin’ny tany Gileada sy Libanona no hampidirako azy
ka tsy ho omby azy izany.
11Dia hamakivaky ny ranomasim-pahoriana izy;
hamely ny onjan-dranomasina NY TOMPO.
Ho ritra ny rano lalin’i Neily rehetra;
haetry ny avonavon’i Asiria
ary hesorina ny tehina fanapahan’i Ejipta.
12Dia hampahereziko ao amin’NY TOMPO izy
ka amin’ny anarany no handehanany, hoy NY TOMPO.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.