Marka INDRAY MIJERY - Malagasy Bible Revision Version

INDRAY MIJERYTsy voalaza ato amin’ny Filazantsara ny mombamomba an’i Marka, kanefa heverin’ny mpandinika maro fa i Jaona Marka, ilay zanak’i Petera ara-panahy, no nanoratra ny Boky: Asa 12.12; 1Pet 5.13. Ilay naman’i Paoly ihany koa io: Asa 12.25; 15.37; Kol 4.10; 2Tim 4.11.Satria milaza fotoana misy fahoriana sy fanenjehana ny Filazantsaran’i Marka dia heverina fa ny nanoratana ny Boky dia tsy lavitra ny nanenjehan’i Néron ny fivavahana kristiana tamin’ny taona 64, ary talohan’ny taona 70 nandravan’ny Romana an’i Jerosalema.Olona tsy Jiosy no nanoratana ity boky ity matoa manome fanazavana ny fomba jiosy sasany izy; ohatra ny fidiovana, ny Paska, ny Sabata.Ho an’ny firenena rehetra koa anefa izany satria izany no nikendren’Andriamanitra ny Vaovao Mahafaly.Ny votoatin’ny BokyNy Filazantsaran’i Jesosy Kristy Zanak’Andriamanitra, na Ny Filazantsaran’Andriamanitra, no voarakitra ato. Jesosy sy ny asany no voatantara amin’izany. Tsy navelany hampahafantarina ny olona anefa ny maha Zanak’Andriamanitra na maha Mesia Azy mandra-pahatongan’ny fotoana mialoha ny fahafatesany. Ny ilazan’i Jesosy hatrany ny tenany kosa dia ny hoe Ny Zanak’Olona. Hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro no nahatongavany.Ny firafitry ny BokyAzo zaraina ho roa ny Boky:Ny asan’i Jesosy teo amin’ny Jiosy sy teo ivelan’ny Jiosy: 1–8Ny nataon’i Jesosy tany Jerosalema nandritra ireo andro farany nahavelomany: 9–16.8Ny famaranana ny Boky (16.9-19) izay tatỳ aorianan’ny nanoratana ny Boky vao voasoratra
Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help