Salamo 109 - Malagasy Bible Revision Version

Miantso vonjy amin’Andriamanitra ny voampangaHo an’ny mpiventy hira. Salamo nataon’i Davida.

1Ry Andriamanitra izay deraiko ô, aza mangina Ianao,

2fa nisoka-bava ny ratsy fanahy sy ny mpamitaka hamely ahy;

niteny ahy tamin’ny lela mandainga izy.

3Teny feno fankahalana no nanodidinany ahy

ary niady tamiko tsy amin’antony izy.

4Ny fitiavako dia valiny fandrafiana,

fa izaho kosa dia mivavaka.

5Novaliany ratsy ny soa nataoko

ary novaliany fankahalana ny fitiavako.

6Anendreo olona ratsy fanahy hifehy azy izy

ary aoka hisy mpiampanga hitsangana eo ankavanany.

7Raha hotsaraina izy dia aoka ho meloka

ary aoka ny fivavahany ho tonga fahotana.

8Aoka ho vitsy ny androny

ary aoka ho lasan’olon-kafa ny anjara raharahany.

9Aoka ho kamboty ny zanany

ary aoka ho mpitondratena ny vadiny.

10Aoka hirenireny mangataka ny zanany

ary aoka hiremby lavitra ny tranony efa rava izy.

11Aoka hamandrika izay rehetra ananany ny mpampindram-bola

ary aoka hifaoka ny vokatry ny asany ny olon-kafa.

12Aoka tsy hisy haharitra hamindra fo aminy,

na hiantra ny zanany kamboty.

13Aoka ho fongotra ny taranany

ary aoka hovonoina amin’ny taranaka mandimby ny anarany.

14Aoka hotsarovan’NY TOMPO ny heloky ny rainy

ary aoka tsy hovonoina ny heloky ny reniny.

15Aoka ho eo anatrehan’NY TOMPO mandrakariva izany

ary hofoanany tsy ho eo ambonin’ny tany anie ny fahatsiarovana azy.

16Satria tsy mba nahatsiaro hamindra fo izy

fa nanenjika ny ory sy ny mahantra

ary ny reraka am-po mba hahafaty azy.

17Tia ozona izy ka nanody azy izany;

tsy tia fitahiana izy ka nanalavitra azy izany.

18Nitafy ozona tahaka ny lambany izy

ka niditra tao an-kibony tahaka ny rano izany

ary tao amin’ny taolany tahaka ny diloilo;

19dia aoka ho tahaka ny lamba itafiany izany

ary ho fehikibo hanaovany mandrakariva.

20Izany no famaliana avy amin’NY TOMPO ho an’ny mpiampanga ahy,

dia izay manendrikendrika ahy.

21Fa Ianao, RY TOMPO Andriamanitra ô,

dia miasa ho ahy noho ny anaranao;

afaho aho fa tsara ny famindramponao.

22Fa ory sy mahantra aho

ary ny foko dia voatsindrona ato anatiko.

23Lasa tahaka ny aloka mihelina aho;

roahina tahaka ny valala aho.

24Malemy ny lohaliko noho ny fifadian-kanina

ary efa lasa mahia kaozatra ny tenako.

25Ary izaho dia tonga fandatsan’ireny;

mijery ahy izy ka mihifikifi-doha.

26Ampio aho RY TOMPO Andriamanitro;

vonjeo araka ny famindramponao aho;

27aoka ho fantany fa tananao izany;

ary Ianao, TOMPO ô, no nanao izany.

28Manozona izy ireo fa mitahy kosa Ianao;

mitsanga-menatra izy

fa mifaly kosa ny mpanomponao.

29Mitafy henatra ny mpiampanga ahy

ka misaron-kenatra tahaka ny lamba.

30Hidera NY TOMPO amin’ny feo mafy aho;

eny, eo amin’ny olona maro no hiderako Azy.

31Fa mitsangana eo ankavanan’ny mahantra Izy

mba hamonjy azy amin’izay manameloka ny fanahiny.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help