Zakaria INDRAY MIJERY - Malagasy Bible Revision Version
INDRAY MIJERYI Zakaria mpaminany dia voalaza ao amin’ny 1.1 sy 1.7, ary Neh 12.16 sy Ezra 5.1; 6.14. Zanak’i Ido izy ary taranaka mpisorona izay tafaverina avy tany amin’ny fahababoana.Teo anelanelan’ny volana Marsevana 520 tal JK (1.1) sy Kisleo 518 tal JK (7.1) no nahitany ireo fahitana valo izay ao amin’ny 1–8, amin’ny andro anjakan’i Dariosy I, mpanjaka persiana. Ireo fahitana ireo dia manana ny endriky ny soratra apokaliptika, mampiasa sariohatra, izay hazavain’ny anjely iray. Amin’ny ankapobeny, ireny sariohatra ireny, dia manambara ny hamaliana ny firenena jentilisa ary ny hampiorenan’NY TOMPO ny fanjakam-piadanany ao Jerosalema.Ny Boky dia misy fizarana roa miavaka tsara, izay voasoratra tamin’ny fotoana roa samihafa, dia ny 1–8, izay mikasika ny taona 520–518 tal JK, izany hoe amin’ny andron’i Hagay mpaminany, ary ny 9–14 izay tatỳ aoriana.Ny votoatin’ny BokyNy Fizarana voalohany, 1–8: Ireo fahitana valo sy teny samihafa nataon’ny Mpaminany.Ambara ato fa ny fananganana indray ny tempoly sy ny tanànan’i Jerosalema no ho fiandohan’ny andro vaovao, koa izay nofidin’Andriamanitra hitarika amin’izany andro vaovao izany dia i Zerobabela governora sy i Josoa mpisoronabe. Manan-toerana be ato ireo fahitana valo. Toy izao izany: Ny fahitana voalohany: Ireo mpitaingin-tsoavaly efatra izay mahita fa miadana ny tany. Ny fahitana faharoa: Ireo mpanefy vy manapotika ny tandroka. Ny fahitana fahatelo: Ilay mpandrefy tany mandrefy an’i Jerosalema vaovao. Ny fahitana fahefatra: Akanjo maloto no eny amin’i Josoa mpisoronabe ka iampangan’i Satana azy izany. Ny fahitana fahadimy: Ny fitoeran-jiro volamena sy ny fitoeran-diloilo ary ny hazo oliva roa. Ny fahitana fahenina: Ilay horonan-taratasy manambara ny Lalàna na ny Tenin’Andriamanitra. Ny fahitana fahafito: Ilay vehivavy misolotena ny faharatsiam-panahy. Ny fahitana fahavalo: Ireo kalesy fitondra miady efatra sy ny soavaly samihafa loko.Ny Fizarana faharoa: 9–14Ity fizarana faharoa ity dia mbola maneho ny fanantenana ny hiavian’ny andro vaovao ihany koa, izay miseho amin’ny endrika roa, dia ny hahatongavan’ny fanjakan’Andriamanitra manerana ny tany manontolo, ary ny hahatanterahan’izany amin’ny alalan’ny Mpamonjy iray, izay manana endrika mpanjaka malemy fanahy nefa mpandresy ary mpiandry ondry, ary koa iraka izay novonoina ho faty.Ireo mpanoratra ny Filazantsara dia mandray ireo endriky ny Mpanjaka voalaza ao amin’ny Zakaria ireo, hilazany ny fahafatesan’i Jesosy.Ny firafitry ny BokyFizarana 1: 1–8Fitarihanteny, izay misy teny fananarana ataon’ny Mpaminany: 1.1-6Ireo fahitana valo: 1.7–6.8Ny satroboninahitra hapetraka eo an-dohan’i Josoa: 6.9-15Teny fananarana ataon’ny Mpaminany: 7Teny fampanantena ny amin’ny ho avy: 8Fizarana 2: 9–14Famaliana sy famonjena ho an’ireo firenena jentilisa: 9.1-8Ny Mpanjaka malemy fanahy: 9.9-10Ny TOMPO no miady ho an’i Joda sy Israely, mamely ny Grika: 9.11–10.1Famaliana ny fanompoan-tsampy: 10.2-3NY TOMPO no miady ho an’i Joda sy Israely, mamely an’i Asiria sy i Ejipta: 10.4–11.3NY TOMPO, Mpiandry tsara, ary ireo mpiandry ratsy: 11.4-17NY TOMPO no miady amin’ireo firenena jentilisa mivondrona hamely an’i Jerosalema sy i Joda: 12.1-9Ny fanahin’ny fahasoavana sy ny fifonana: 12.10-14Fanafoanana ny sampy sy ny faminaniana sandoka: 13.1-6Voan’ny sabatra ny mpiandrin’NY TOMPO: 13.7-9NY TOMPO miady amin’ireo firenena izay namabo an’i Jerosalema: 14.1-15Famaliana sy famonjena ho an’ireo firenena izay tonga hamely an’i Jerosalema: 14.16-21