Isaia 66 - Malagasy Bible Revision Version

Ny tena mpivavaka sy ny mpivavaka tsy izy

1Izao no lazain’NY TOMPO:

Ny lanitra no sezafiandrianako

ary ny tany no fitoeran-tongotro.

Trano manao ahoana no hataonareo ho Ahy?

Ary toerana manao ahoana no ho fitsaharako?

2Fa izao zavatra rehetra izao no nataon’ny tanako

dia ary izao rehetra izao,

hoy NY TOMPO.

Nefa izao no olona hotsinjoviko:

Izay mahantra sy torotoro fanahy

sady mangovitra noho ny teniko.

3Izay mamono omby dia

ohatry ny mamono olona;

izay mamono ondry hatao fanatitra

dia ohatry ny mamolaka ny vozon’alika;

izay manolotra fanatitra avy amin’ny zavamaniry

dia ohatry ny manatitra ran-kisoa;

izay mandoro ditin-kazo manitra ho fanati-pahatsiarovana

dia ohatry ny misaotra ny sampy.

Eny, nifidy ny halehany ireny

sady nifaly tamin’ny fahavetavetany.

4Dia tahaka izany kosa no hifidianako ny fampahoriana azy

sy handatsahako ny fahatahorany ho ao aminy,

satria niantso Aho

nefa tsy nisy namaly;

niteny Aho

nefa tsy nihaino izy

fa nanao izay ratsy teo imasoko,

ary izay tsy sitrako no nofidiny.

Mitondra fampaherezana sy fitsarana NY TOMPO

5Mihainoa ny tenin’NY TOMPO,

ianareo izay mangovitra noho ny teniny.

Hoy ny rahalahinareo

izay mankahala anareo ka mandroaka anareo

noho ny amin’ny anarako:

Aoka hampiseho ny voninahiny NY TOMPO,

mba ho hitanay ny fifalianareo!

Kanefa izy ireny kosa no hitsanga-menatra.

6Injany misy horakoraka avy any an-tanàna,

misy feo avy ao amin’ny tempoly.

Feon’NY TOMPO izany,

mamaly ny ataon’ny fahavalony Izy.

7Mbola tsy nihetsi-jaza aza

izy dia efa niteraka;

mbola tsy nanaintaina aza izy

dia efa niteraka zazalahy.

8Iza no nandre zavatra toy izany?

Iza no nahita zavatra toy izany?

Hisy tany hateraka indray andro va?

Hisy firenena azo atao indray miteraka va?

Fa raha vao nihetsi-jaza i Ziona* dia efa velon-jaza.

9Moa hahatonga vehivavy ho eo amin’ny fiterahana va Aho

ka tsy hampiteraka azy?

Hoy NY TOMPO;

Izaho izay nampiteraka va

no hanakana izany indray?

Hoy Andriamanitrao.

10Miaraha mifaly amin’i Jerosalema

ary miravoravoa aminy,

ianareo rehetra izay tia azy;

aoka hiara-mifaly aminy tokoa

ianareo rehetra izay malahelo noho ny aminy,

11mba hinonoanareo sy hivokisanareo

amin’ny nonony mahafaly;

eny, mba higoka ianareo ka hiravoravo

amin’ny haben’ny voninahiny.

12Fa izao no lazain’NY TOMPO:

Indro, hitarihako fiadanana tahaka ny ony izy

ary ny voninahitry ny firenena, ho tahaka ny renirano tondraka.

Hampinonoana ianareo;

ary hosakelehina ianareo

sady horotsirotsina eo ambony lohalika.

13Tahaka ny olona ampiononin’ny reniny

no hampiononako anareo;

eny, ao Jerosalema no hampiononana anareo.

14Dia hahita izany ianareo ka ho faly ny fonareo,

ho tsara fitombo tahaka ny ahi-maitso ny taolanareo;

ary ny tanan’NY TOMPO dia ataony fantatry ny mpanompony,

fa ho tezitra amin’ny fahavalony kosa Izy.

15Fa indro NY TOMPO

ho avy amin’ny afo,

ary tahaka ny tadio ny kalesy fitondrany miady maro

mba hanao famaliana amin’ny hatezerany mirehitra

sy ny fitenenany mafy amin’ny lelafo.

16Fa ny afo no hoentin’NY TOMPO mitsara,

ary amin’ny sabany no hitsarany ny nofo rehetra;

ho maro ny voaringan’NY TOMPO.

17Izay manamasina sy manadio ny tenany

ho ao an-tanimboly

ka mifandimby mankeo afovoany

ary mihinana henan-kisoa

sy zava-betaveta ary totozy

dia hiaraka ho levona avokoa,

hoy NY TOMPO.

Ilay famoriana farany

18Fa Izaho mahalala ny asany sy ny heviny. Ary ho avy ny fotoana hamoriana ny Jentilisa* rehetra sy ny samihafa fiteny; ho avy ireo ka hahita ny voninahitro.

19Hasiako famantarana eo aminy; izay afaka mandositra dia hisy halefako ho any amin’ny Jentilisa, dia ho any Tarsisy sy Pola ary Loda izay mpanenjana tsipìka, ho any Tobala sy Javana, dia ho any amin’ireo nosy lavitra izay tsy mbola nandre ny lazako na nahita ny voninahitro, ary hitory ny voninahitro any amin’ny Jentilisa izy.

20Hitondra ny rahalahinareo rehetra avy any amin’ny Jentilisa rehetra ho fanatitra ho an’NY TOMPO izy, mitaingin-tsoavaly sy anaty kalesy sy filanjana izy, ary mitaingina ampondra sy rameva haingam-pandeha, ho any Jerosalema tendrombohitro masina, hoy NY TOMPO; tahaka ny fitondran’ny Zanak’Israely ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ao anatin’ny lovia madio ho any amin’ny tranon’NY TOMPO.

21Ary avy amin’ireo aza no hakako ho mpisorona sy levita*, hoy NY TOMPO.

22Fa tahaka ny lanitra vaovao

sy ny tany vaovao, izay hataoko

ka haharitra eo anatrehako, hoy NY TOMPO,

dia toy izany no haharetan’ny taranakareo sy ny anaranareo.

23Ary isaky ny voaloham-bolana

sy isan-tSabata

dia ho avy hiankohoka eo anatrehako

ny nofo rehetra, hoy NY TOMPO.

24Ary rehefa hivoaka izy ireny dia hahita

ny fatin’ny olona izay efa nikomy Tamiko;

fa tsy ho faty ny kankany,

tsy hovonoina ny afony,

ary hataon’ny nofo rehetra ho fahavetavetana izy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help