1Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy indray hoe:
2Indro, efa notononiko anarana i Bezalila, zanak’i Ory, zanak’i Hora, avy amin’ny fokon’i Joda;
3ary efa nofenoiko fanahin’Andriamanitra izy, amin’ny fahendrena sy fahiratan-tsaina ary fahalalana ny amin’ny taozavatra maro samihafa,
4tahaka ny famolavolana asa kanto, ny fiasana volamena sy volafotsy ary varahina,
5ny fanamboarana vato halatsaka an-tranontranony ary ny fandrafetana hazo, mba hanaovany taozavatra maro samihafa.
6Ary indro Aho efa nanome an’i Oholiaba, zanak’i Ahisamaka, avy amin’ny fokon’i Dana, ho namany; ary ny fon’izay manan-talenta rehetra dia efa nasiako fahendrena mba hanaovany izay rehetra efa nandidiako anao,
7dia ny tranolay fihaonana* sy ny vata hasiana ny Vavolombelona ary ny rakotra fanaovam-panavotana eo amboniny, ny fanaka rehetra momba ny tranolay,
8ny latabatra mbamin’ny fanaka momba azy, ny fitoeran-jiro volamena tsy misy fangarony mbamin’ny fanaka rehetra momba azy, ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra,
9ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo mbamin’ny fanaka rehetra momba azy ary ny koveta sy ny faladiany,
10ny fitafiana fitondra amin’ny fanompoana sy ny fitafiana masina ho an’i Arona mpisorona sy ny fitafian’ireo zanany hoentiny manao fisoronana,
11ary ny diloilo fanosorana sy ny ditin-kazo manitra ho ao amin’ny fitoerana masina. Araka izay rehetra nandidiako anao no aoka hataon’ireo.
Ny fitandremana ny Sabata12Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:
13Milazà amin’ny Zanak’Israely hoe: Ny Sabatako no tandremo; fa famantarana ho Amiko sy ho aminareo hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby izany, mba ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO izay manamasina anareo.
14Koa tandremo ny Sabata fa masina aminareo izany; izay tsy manamasina azy dia hovonoina ho faty ary izay rehetra manao raharaha amin’io andro io dia hofongorana tsy ho amin’ny fireneny.
15Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena fitsaharana ka masina ho an’NY TOMPO: Izay rehetra manao raharaha amin’ny andro Sabata dia hovonoina ho faty.
16Hotandreman’ny Zanak’Israely ny Sabata ka hankatoaviny hatramin’ny taranany fara aman-dimby, fa fanekena mandrakizay izany.
17Ho famantarana Amiko sy amin’ny Zanak’Israely mandrakizay izany, satria henemana no nanaovan’NY TOMPO ny lanitra sy ny tany dia nitsahatra Izy ka niala sasatra tamin’ny andro fahafito.
18Rehefa vita ny teny nolazainy tamin’i Mosesy tao an-tendrombohitra Sinay dia nomeny azy ny vato fisaka roa izay nisy ny Vavolombelona, dia vato fisaka voasoratry ny rantsantanan’Andriamanitra.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.